MafamNisy ny fanambarana nataon’ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny Rtoa Hanitriniaina Belalahy ny faran’ny herinandro teo, naneho fa manamafy ny vina izay nosoritan' Andriamatoa Rakotomandimby Benjamin Alexis, Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Ministry ny Fitsarana, izay ametrahana ny fangaraharahana, ny rariny ary ny fahamarinana mba hananana rafi-pitsarana itokisan'ny vahoaka ny Minisitera. Apetraka ho ivon'ny laharam-pahamehana ny ady amin'ny kolikoly sy tany tan-dalana. Ny tanjona dia ny fametrahana Fitsarana matanjaka, marina, mahomby, azon'ny rehetra isitrahana, manakaiky ny vahoaka ary manaja ny maha-olona,... Raisina ny fanohanana sy ny fahaiza-manao izay mifanaraka amin'ny filan'ny Ministeran'ny Fitsarana ,… Tafiditra ao anatin’io ihany koa ny fanohizana ny fanaovana tatitra sy tomban'ezaka arahina fankasitrahana ho an'izay manao ezaka tsara, ary toromarika fanatsarana, fanaraha-maso ary fandraisana fepetra kosa ho an'izay minia manao ny asa tsy araka ny tokony ho izy, na mifanohitra amin'ireo tanjona napetraka,... Nilaza hanamafy ny fiaraha-miasa amin'ireo rafitra isan-karazany toy ny Filan-kevitra ambony ny Mpitsara, ny Sendika..., sy ireo ministera sy andrim-panjakana hafa, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo fikambanana iraisam-pirenena mba hampahomby kokoa ny departemanta ny Minisitera. Andaniny andaniny anefa, misy fanapahan-kevitra tsy mahafaly ny mpitsara. Namoaka fanambarana ny Sendikan’ny mpitsara na ny SMM tamin’ny alalan’ny Filohany Atoa Mbitanarivo Andriantsihorisoa. Naneho ity farany fa efa nivoivoy teny rehetra teny ny feo mikasika ireo mpitsara naato tamin'ny asany niaraka tamin'ny fampiatoana na fanapahana ny karamany. « Manoloana an'izany indrindra, tao anaty fotoana fohifohy no nahitantsika ny fanovana, ny ady amin'ny kolikoly entina hanatsarana ny fitsarana, hombantsika manana hatrany hatrany izany. Fa kosa, manoloana ny fanapahana noraisina mikasika ireo namantsika ireo dia tsapa fa hoe tsy mifandanja velively ny zava-misy sy ilay fanapahana noraisina », hoy ny Filohan’ny SMM. Noho izany, ho firaisankinan’ny mpitsara rehetra, dia mampiantso fivoriam-be tsy ara-potoana ny birao ao amin'ny efitrano fitsarana laharana faha-4 fitsarana ambony antananarivo ny Biraon’ny SMM anio 04 novambra, amin'ny 09ora maraina. Andrasana ny akony !
Toky R
Mifarana ny taona fa dia miatrika fahasahiranana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara,
Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra
Tsy mety tapitra ny trafikana volamena miainga avy eto Madagasikara, fa tena mbola mampiteny ny moana.
Tena nanao ny nataony ny delestazy teny Itaosy Atsimondrano afak’omaly Talata 24 Desambra.
Nodimandry ny talata 24 desambra 2024 teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ny Pr Manantsoa Victor.
Raha tamin’ny andro taloha dia ny fotoana akatoky ny fety toy iny harivan’ny 24 desambra 2024