airtel

Actualités

09-août-2023

Actualités

Mpitsindrona roro Fito mianadahy sarona teny Andranomena

Sample post image

Mpitsindrona heroïne na "rôrô" fito mianadahy no tratra teny Andranomena, mbola teo am-pidorohana mihitsy, omaly Alarobia 08 Aogositra.

09-août-2023

Naharay vaovao avy tamin'ny tsara sitrapo mikasika fisiana olona maromaro mihaodiaody eny Andranomena ny mpitandro ny filaminana. Voalaza fa mpitsindrona sy mpivarotra "rôrô" izy ireo ka avy hatrany dia nirotsaka teny an-toerana ny polisin’Ambohimanarina. Sarotra soa aman-tsara izy 7 mianadahy nandritra izany ka fantatra fa 22 taona hatramin'ny 48 ny salan-taonan’izy ireo. Monina eny Ambohibao, Ambatolampy, Andranomena ary Ampasapito izy ireo ary miezaka mamatsy ireo manodidina azy. Tsiahivina moa fa mody tambatambazan’izy ireo ireo mbola tsy mpitsindrona roro eny am-piandohana ary omeny maimaim-poana. Rehefa tamana sy miankin-doha kosa ireto farany dia hamidiny lafobe izany, antony manosika ireo tanora sasany hangalatra mihitsy.
Pati
Legende : Ireto izy 7 mianadahy ! 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap