airtel

Actualités

22-oct-2024

MPONINA NESORINA TAO MENABE

Tsy manan-kaleha, efa nisy maty an-dalana…

Sample post image

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

22-oct-2024

ho fitandroana ireo faritra arovana, raha araka ny vaovao voaray. Tsy mahita aleha intsony mantsy izy ireo noho ny asa fihariany sy ny tranokely izay noravana tao anatin’ireo faritra arovana nipetrahany ireo hany ka lasa mirenireny tsy mahita aleha intsony. Raha araka ny fantatra dia miala any Belo Tsiribihiana izy ireo no mandeha dia an-tongotra mivoaka mankany Morondava, mirongo zaza sy ireo entana kely eny an-tanana sisa mba zaka. Eny amoron-dalana izy ireo no matory isan-kalina ka zaza miisa roa no voalaza fa efa maty teny an-dalana izay 5 sy 6 taona. Nalevina teny an-dalana ihany ireto farany hoy ny vaovao azo. Raha ny fantatra hatrany moa dia vahoaka avy any Betioky any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana izy ireo. Teny am-piandohana dia nisy ihany ny kamiao nitondra azy ireo tao Bevoay, kaominina Ankatrakatraka , distrikan’i Morombe, faritra izay mampisaraka ny Faritra Atsimo Andrefana sy Menabe. Taty aoriana anefa dia tsy nitohy izany, antony nahatonga azy ireo mandeha dia an-tongotra. Tsy mety tapitra anefa izany. Vao omaly Alatsinainy 21 Oktobra indray mantsy dia fiara tsy mataho-dalana miisa 2 no nanatitra olona tao Bevoay niampy ireo 50 tamin’ny 80 isa mbola taraiky ao. Efa 3 andro mantsy ireto farany no nijanona tao. Efa niantso ny havany ary efa lasa nody kosa ireo 30 isa. Tsy mahita sakafo omena azy ireo intsony ny sefom-pokontany ao an-toerana sy ny filohan’ny koperativam-pitaterana ao an-toerana manoloana izany noho ny hamaroany. Manginy fotsiny ny fitsaboana ireo tsy salama. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny fanampiana ireny mpifindra monina ireny araka izany izy ireo.
Pati
Legende : Tahaka izao ny mahazo ire mpifindra monina, matory eny amoron-dalana !

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap