kolikoly na Bianco mandritra ny 5 taona tsy azo havaozina Atoa Razakamanantsoa Gaby Nestor. Ny lalàna 2016-020 tamin’ny 22 aogositra 2016 momba ny ady amin’ny kolikoly no mamaritra ny fanendrena ny Tale Jeneraly Bianco. Tale Jeneraly fahadimy hatramin’ny niorenan’ny Bianco ny tenany. Izy no handimby ny Tale Jeneraly teo aloha Andrianirina Laza Eric Donnat. Iray tamin’ireo 3 farany natolotry ny « Comité ad hoc de recrutement » natsangan’ny Komity Mitandro ny fahintsiana na ny CSI. 49 taona ny Tale Jeneraly vaovao, efa talen’ny « investigation » teo anivon’ny Bianco, mpitsara ambony, mpampianatra lalàna, efa nitazona ny toeran’ny Lehiben’ny Bianco mpisolo toerana,... Milaza moa ny Fanjakana fa fanamby napetraky ny Filoha Andry Rajoelina ny ady amin’ny kolikoly mba hananan’ny vahoaka fitokisana amin’ireo rafi-panjakana isan-tsokajiny. Tsara anefa ny mampahatsiahy fa tamin’ny taona 2004 no nananganana ny Bianco, ary ny taona 2008 no tsara indrindra ny toerantsika izay tany amin’ny faha-80 amin’ny Firenena 180. Eo amin’ny faha-147 kosa isika ankehitriny, ary tsy manana naoty afa-tsy 26/100 raha ny filaharana farany navoakan’ny Transparency International. Ny World Justice Project aza vao roa volana teo izay, dia mametraka antsika ho laharana faha-134 amin’ny firenena 142 nanaovany fanadihadiana, ka nanasokajy antsika ho Firenena 10 voalohany be kolikoly indrindra, tsy nahazo naoty afatsy 0,27. Marina fa mety tena miasa sy manao ny ainy tsy ho zavatra ny Bianco, saingy betsaka ny mety ho sakana sy tsindry, ary mety ilàna fanovana lalàna na finiavana bebe kokoa. Amin’ny fomba ahoana ohatra no hahafahan’ny Bianco manadihady na manenjika ireo olona akaiky ny Filoham-pirenena izay manendry ny Tale Jeneraly ? Dia atao mahagaga ve hoe : ny Filoham-pirenena manao kabary mipoapoaka tamin’ny fotoana nanombohan’ny taom-piasany voalohany tamin’ny 2019 kanefa ny Minisitra tao anatin’ny governemanta maro no voarohirohy na voatonontonona tamin’ny afera maloto sy kolikoly avo lenta toy ny tamin’ny andron’ny coronavirus, tamin’ny raharaha ady tany, tamin’ny raharaha trafikana harena an-kibony tany,… Ny olom-boafidiny misy tratra tamin’ny fampiasana ny toerany sy anaran’ny andrim-panjakana tamin’ny afera findrahana sy fitaterana hazo tsy ara-dalàna. Ny Tale Kabinetra teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika aza moa voasambotra tany ivelany tamin’ny afera kolikoly avo lenta, ka taorian’ny fandroahana azy tany amin’ny Firenena nitazonana azy mbola tratra namoron-dainga ho afaka sy madio. Izany no taratry ny Fitondrana ka ady amin’ny kolikoly inona no hahomby raha toa ka mbola miainga any ambony ohatra ratsy ?
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA