airtel

Actualités

25-juil-2024

Nakarina ora maro ny delestazy efa misy

Ampangain’ny fampanantenana poakatiny Rajoelina !

Sample post image

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

25-juil-2024

Misedra olana amin’ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina ny mpiara-miombon’antoka amin’ny Orinasa JIRAMA. Tsy mahavaly ny filàn’ny famokarana herinaratra arak’izany ireo solika tonga noho ny tsy fahampian’ireo kamiao mpitatitra izay tsy miankina amin’ny Orinasa JIRAMA », hoy indray ny seraseran’ny Jirama omaly. Vokany, voatery hiroso amin’ny fahatapahan-jiro mifandimby ny orinasa, ny antoandro eo anelanelan’ny amin’ny 2 ora sy sasany amin’ny 5 ora ary ny alina amin’ny 12ora alina ka hatramin’ny 2 ora sy sasany maraina sy amin’ny 2 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 4 ora maraina. Raha hatambatra ireo dia ao anatin’ny ora fito sy sasany izany ny fahatapahana. Nolazaina fa mifandray tsy tapaka amin’io mpiara-miombon’antoka io ny mpitantana ny Orinasa JIRAMA mba hanafainganany ny fitaterana ireo solika ireo mba hahafahana mamerina amin’ny laoniny ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo. Teo aloha tara ny famatsiana solika, nitarina tamin’ny fahataran’ny sambo, nentina tamin’ny tsy fahampian’ny kamio,… Tsy vao sambany no nisy ny olana teo amin’ny famatsiana sy fitaterana ny solika, izay miompana amin’ny tsy fahampiam-bola hatrany tamin’ny ankampobeny, saingy nezahina nafenimpenina sy nosarontsaronana tamin’ny serasera nentina nanadalana saim-bahoaka. Boka trosan’ny mpamatsy solika hatrany amin’ny 1500 miliara Ar ho an’ny 2023 fotsiny, boka trosan’ireo orinasa samihafa mpamatsy herinaratra, dia io fa olana ihany koa ny fitaterana izay heverina fa olana ara-bola satria efa nitranga izany. Manampy trotraka ny faharatsian’ny RN2 mampitohy an’i Toamasina sy Antananarivo, izay mbola vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ihany. Olana ara-bola, olana ara-teknika, alana ara-pitantanana,… no mikiky, ary iny efa nivaky iny ny Tale Jeneralin’ny Jirama Ron Weiss vao herinandro lasa fa tsy mora ny fanarenana, ary miandry ny fankatoavan’ny Fanjakana ny drafitra ara-bola natolotra, ankoatra ny drafitra ara-pitantanana sy ara-teknika. Manam-bola amin’izany ve ny Fanjakana ?
FAMPANANTENANA POAKATY MARO !
Asa afaka mamaly ny fanontaniany tamin’ny 2018 ve i Andry Rajoelina raha nanenjika ny fitondrana teo aloha hoe : tsy misy intsony ve ny delestazy ? Aiza ilay 400MW ao anatin’ny 5 taona nentina nambaboana vahoaka tamin’ny fifidianana ny taona 2018 ? Aiza ilay ho foana ao anatin’ny 6 hatramin’ny 8 volana ny delestazy nolazaina ny fiandohan’ny taona 2020 ? Mailaka nanao serasera teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny talata teo ka sao mba mila miditra an-tsehatra ao amin’ny Jirama ihany koa ny Filoha rehefa may etsy may aroa ihany satria isan’ny tena ilan’ny Malagasy vonjy io?
Toky R
Légende : Aorian’ny olan’ny kamio mitatitra ny solika dia inona indray ?

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap