airtel

Actualités

08-août-2024

Natsikafon’ny Masoivoho Britanika ny marina

«Tena olo-meloka sy olon-doza i Romy Andrianarisoa »

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Masoivoho Britanika manoloana ny raharaha Romy Andrianarisoa,

08-août-2024

izay nanao resaka tamin’ny TV5 Monde ny faran’ny herinandro lasa. Miendrika fandisoana izany voalazan’ity Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika teo aloha ity ny fanambaran’ny eo anivon’ny Ambasadaoro Britanika, ka nanamafy fa efa nohelohina i Romy Voos Andrianarisoa. « Taorian’ny fahasamboran’ny NCA (National Crime Agency) azy tany Londres ny 10 aogositra 2024, nomelohin’ny Fitsarana Britanika izy ny 20 febroary 2024 rehefa avy nikasa haka tsolotra izay fandikan-dalàna voafaritry ny tapany faharoa amin’ny lalàna momba ny kolikoly (Bribery Act) 2010 any Royaume-Uni. Vokatr’izany dia nohelohina tamin’ny sazy farantampony 3 taona sy 6 volana an-tranomaizina », hoy ny eo anivon’ny Masoivoho Britanika. Tamin’ny fotoanan’ny fanameloana azy, nilaza ny mpitsara ambony manokana eo anivon’ny sampana momba ny heloka ara-toekerana ao amin’ny Crown Prosecution Service dia i Thomas Short fa Romy Andrianarisoa dia mpiasam-panjakana mpanao kolikoly nisafidy ny hampanan-karena tena amin’ny alalan’ny asam-panjakana ataony », hoy ny fampahatsiahivana. « Ny fanamelohana an-dRtoa Andrianarisoa dia manan-kery hatrany ary tsy nofoanana na novaina », hoy hatrany ny Masoivoho Britanika eto amintsika. Nohazavaina fa hahafahana misoroka ny fivangongoana ao am-ponja any Royaume-Uni, ny governemanta Britanika dia nametraka programa hanafahana mialohan’ny fotoana ho an’ireo voaheloka tamin’ny raharaha tsy misy habibiana. Amin’io, ny raharaha momba ireo olon-doza hafa firenena, dia miteraka fandroahana azy hiverina any amin’ny firenena fihaviany. Vokatr’izay, ny 09 jolay no nivoaka ny baiko handroahana an-dRomy Andrianarisoa ivelan’i Royaume-Uni rehefa nahavita manodidina ny herintaona an-tranomaizina. Navoaka ny 24 jolay, ary voaroaka nakany France. Ny hany fepetra miaraka amin’ny famotsorana azy, dia ny tsy fahafahany miverina any Royaume-Uni vao vantany mihatra ny fandroahana, ary tsy misy fetrany io fandroahana io, manan-kery mandra-pisian’ny didy hafa manatsahatra izany, raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny Masoivoho Britanika.
VAO MAINKA NAMATOTRA NY FITONDRANA RAJOELINA
Tratra indray izany ny laingan’i Romy Andrianarisoa izay nilaza fa afaka noho ny fitondran-tenany tany am-ponja niampy filazana fa tsy nisy nitombina ny vesatra niampangana azy. Izy izay nilaza tao anatin’ny resaka nataony tamin’ny TV5 Monde fa efa fomba fanao aty Madagasikara ho an’ny mpampiasa vola ny fanokanam-bola hanaovana asa sosialy, ka antony nandehanany tany. Toa manamafy fa dia tena efa fomba fiasan’ny Fitondrana Rajoelina izay nisy azy ny fitakiam-bola ho an’ny mpampiasa vola te handraraharaha eto. Raha misy resaka asa sosialy, moa tsy tokony ho any amin’ny bokin’andraikitra no mamaritra an’izany ? Naneho ny maha manga ny lanitra tamin’ny fifandraisany tamin’ny Filoha,… Toa vao mainka nandoto sy nandetika ny Fitondrana Rajoelina, ka dia tsy niandry ela ny Fiadidian’ny Rapoblika tamin’ny alalan’ny Talen’ny serasera sady Talen’ny Fifandraisana iraisam-pirenena Rtoa Lova Ranoromaro ka nilazana fa an-dRomy Randrianarisoa irery ny zava-drahetra nolazainy fa tsy misy hidiran’ny Fanjakana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap