airtel

Actualités

30-sept-2024

Ny olon’ny fitondrana aza mba leo delestazy

500MW anatin’ny 5 indray taorian’ny 400MW poakaty

Sample post image

Nanamarika ny herinandro lasa teo ny fihamafisan’ny fipoahana ara-tsosialy ateraky

30-sept-2024

ny tsy fisian-drano sy fahatapahan-jiro ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo. Nahitana grevy teny Itaosy, Ankatso, Manjakaray, Ambodivona, Analamahitsy, Imerinafovoany,… Mahatratra adin’ny 6 isan’andro na mihoatra lavitra an’izany aza ny fahatapahana. Na ny olon’ny Fitondrana aza anefa tena vaky vava amin’ny tsy fanjariana, raha tsy hampahatsiahy ny nilazan’ingahy Naivo Raholdina fa noho ny delestazy no nampihena ny vaton’ny IRMAR tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Dia io ihany koa fa namoaka i Rtoa Lalatiana Henrientte Rakotondrazafy. « Hoy ny Jirama mantsy anay hoe : tapaka ny jiro eny amin’ny « quartier » misy anareo amin’ny 8ora hatramin’ny 11ora. Izany hoe adiny 3, fa mahagaga hay tsy mifarana eo, mbola miampy koa avy eo hoe amin’ny 11ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro (14h). Tsy azoko hoe koa maninona raha tonga dia notenenina hoe adiny 6, sa raha zaraina 2 ilay filazana dia maivana kokoa? " hoy i Lalatiana Henriette Rakotondrazafy. « Inona marina ny zava-misy momba ny famatsiana herinaratra : kiboribory vetaveta ? Tapaka ihany koa moa ny jiro tamin’ny 11 ora alina taty aminay alina... 475 lavitrisa Ar no fanampiana omena ny Jirama, 25 cents USD/Kw no saran’ny famokatana nefa 10 cents USD no hivarotana azy. », hoy kosa i Dina Andriamaholy Sekretera Jeneraly lefitra eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, tao amin’ny pejin-tseraserany. Ny vahaolana voalazany fa mety hamaha na hanamaivana haingana ny olan’ny delestazy, izay takian’ireo mpamatsy vola ihany koa, no sady lojika ekonomika dia ny fampakarana ny vidin’ny herinaratra, izay nambarany fa hamaha 90% ny olana ny fampiakarana saingy hiteraka olana ara-tsosialy, ka ny fampitomboana ny famokarana amin’ny angovo azo havaozina ihany no vahaolana.
SERASERA MANDAVAN-TAONA
Mbola tsy tena azo tsapain-tanana ny vahaolan’ny fitondrana, fa serasera mandavan-taona no betsaka, ary efa ho lava ny fitanisana vina sy programa, eny fa hatrany amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana aza. Tahaka ny efa tena mihazakazaka be ny fandrosoana sy fivoaran’ny tontolon’ny angovo eto Madagasikara, raha ny seraseram-panjakana, ka ny Praiminisitra nilaza tany amin’ny Fivoriamben’ny ONU, fa imasoana tanteraka koa, ny famokarana herinaratra ho an'ny rehetra, amin'ny alalan'ny fanamboarana "Centrales hydroélectriques" sy "Centrales solaires" manana tanjaka ambony hatramin'ny 500MW ao anatin'ny dimy taona ho avy, ka afaka hamatsy sy hamaly ny filan'ny vahoaka. Hafainganina ny fampitaovana herinaratra amin’ny fametrahana “Parcs solaires” miisa 47 manerana ny Distrika rehetra eto Madagasikara,… Niakatra ho 500MW ny fampanantenana poakaty 400MW tao anatin’ny 5 taona lasa. Ny herinandro lasa teo ihany i Andry Rajoelina rehefa nandray delegasionina sinoa, fa ireo tetikasa goavana mampiasa rano izay efa mandroso ankehitriny dia mbola maka fotoana ka izany indrindra no tsy maintsy hanafainganana ny fametrahana ireo « panneaux solaires » 350MW, indrindra eny amin’ny renivohi-paritany. Betsaka izay resaka natao izay fa ny asa mihisatra tsy hita izay vokatra !
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap