airtel

Actualités

16-oct-2024

OJM

«Hajao ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety sy ny zon’ny olom-pirenena »

Sample post image

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

16-oct-2024

omaly teo anatrehan’ny fanivanana mpanao gazety tetsy amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, fa azon'ny daholobe atrehina ny fivoriana ao amin’ny Antenimierampirenena, raha tsy hoe misy ny fangatahan’ny ampahefatr’ireo mpikambana hanao fivoriana mikaton-trano, araka ny andininy faha-77 amin’ny lalàmpanorenena. Nanamarika, fa lanonana azon’ny daholobe atrehina ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana. Porofon’izany dia maro ireo mpanaraka ireo mpikambana ao amin’ny governemanta no nahazo nanatrika ny fotoana. Teo ihany koa ireo mpaka sary izay tsy mpanao gazety. Koa mahagaga araka izany ny fanapahan-kevitra hoe singanina manokana ireo orinasan-gazety mahazo na tsia manatrika ny lanonana tao amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, hoy ny OJM naneho fa fomba fiasa ny mampilaza mialoha amin’ny fanasana solontena avy amin’ny orinasan-gazety noho ny fandaminana, satria mety ho tery ny toerana. Nampahatsiahy ny andininy faha-11n'ny Lalampanorenana ny OJM fa zon’ny olom-pirenena ny mahazo vaovao, ary zo fototra izany. Antoka isitrahan’ny olom-pirenena izany zo fototra izany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, sy ny fahalalahan’ny mpanao gazety mitrandraka vaovao marina sy marim-pototra. Ny andininy faha-7n'ny lalàna 2020-006 momba ny serasera amin'ny haino vaky jery, dia mametraka fa zon'ny mpanao gazety ny mitrandraka vaovao, tsy azo sakantsakanana, tsy misy fandrahonana, lavitry ny herisetra, ho amin'ny tranga mahakasika ny tombontsoam-bahoaka sy iankinan’ny fiainam-pirenena, hoy hatrany ny fampahatsiahivana. Naneho ny ahiahiny noho izany ny OJM amin’ny fiantraikan’ny tranga teny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena ny amin’ny fanajana ny zo fototry ny olom-pirenena mahazo vaovao, sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, indrindra fa avy amina Andrimpanjakana mpanao lalàna, manaja lalàna, miasa eo anivon'ny Lapan’ny Demokrasia. Tsy voalohany fa efa nisy fanivanana ireo mpanao gazety, nosakanana tsy hiditra nandritra ny fanolorana ny PGE teny amin'ny Antenimierampirenena, ny volana aogositra lasa teo. Manome endrika ratsy ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara ny tranga tahaka ireny. Nampahatsiahy ny OJM fa ny karatra maha mpanao gazety matihanina izay avoakany dia ahafahan’ny mpanao gazety rehetra miditra sy manatrika ireo “événements à caractère public” rehetra, ary koa ahazoany mitrandraka vaovao an-kalalahana manerana ny tany Repoblikan’i Madagasikara.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap
16-oct-2024

Notokanana omaly ny fonjaben’Avaradrano mivelatra amin’ny velarana 13 000m2 izay mahazaka olona eo amin’ny

Card image cap