ariary ny tetibola ividianana solika ampiasain'ny Jirama isa-taona, ary 80 hatramin'ny 100 miliara ariary isam-bolana no miditra amin'ny Jirama kanefa tsy voaloa na hiniana tsy aloa ny volan'ny mpamatsy solika. Tsy mety tafarina, hoy izy, ny orinasa na dia niovaova aza ny mpitantana. Noho izany, nambara fa mpitantana orinasa misahana herinaratra any Rwanda manana fahaiza-manao no ho avy tsy ho ela eto Madagasikara, araka ny nambaran’I Andry Rajoelina nandritra ny fandraisana ireo fitaovana mihodina amin'ny herin'ny masoandro, ho an'ireo distrika miisa 47 tany Toamasina. Rehefa zohiana ny tantara, rehefa avy nopotehina nandritra ny taona maro, rehefa avy nampanantenana poakaty tamin’ny propagandy nilazana fa hamokatra 400MW vaovao ao anatin’ny 5 taona, rehefa avy nanaovana serasera isaky izay nihetsika toy ny tamin’ny janoary 2022 fa afaka 6 na 8 volana dia ho foana ny delestazy, rehefa nandeha ny sarintsarim-panenjehana ireo Tale Jeneraly teo aloha lasa nitsoaka any ivelany,… dia izao indray hiantso vahiny hitantana ny Jirama kanefa nokianina mafy izany tany aloha. Tsy finiavana hanakiana, fa vao iray volana lasa raha ela no nilaza ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena Idah Z. Pswarayi-Riddihough no nilaza fa tena mila mpitantana mahay I Madagasikara. Voalaza anatin’ny CPF (Cadre de Partenariat Pays) 2023-2027 iarahany amin’I Madagasikara amin’io rafitra ara-bola io, fa tany amin’ny 2009 dia nanana fahamarinan-toerana ara-bola ny Jirama, kanefa niha nitotongana hatrany hatrany. Ny 2022 fotsiny no nahatratra 150 tapitrisa dolara na 604 miliara Ar ny fatiantoka. Isan’ny antony ny varotra fatiantoka 0,11 dolara/Kwh¸1900 GWh, izay manome fatiantoka 26%. Mahatratra 28% ny fahaverezana ara-teknika. Mba hitazonana ny fahamarinan-toerana ara-bola, mila 100 tapitrisa dolara isan-taona eo ho eo avy amin’ny governemanta ny Jirama, raha mbola amin’io endriny ankehitriny io. Efa tany amin’ny jona 2023 no niresahan’ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena teto teo aloha, Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira, fa niara-nisalahy tamin’ny fitadiavana “Manager de redressement” ho an’ny Jirama ny Governemanta, ny Banky Iraisam-pirenena, ny Filankevi-pitantanana. Tamin’io no niresahan’io solontenan’ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena io tamin’izany, fa nahatratra 50% ny fantiantoky ny orinasa mpamokatra herinaratra tany Rwanda, 20/24 ora ny delestazy tany ny taona 2017 izany hoe: mafy noho ny teto, saingy mahazo tombony ankehitriny. Nisy ireo tompon’andraikitry ny Jirama efa nalefa nijery ny fahaiza-manao tany, ary io nambara io fa Rwandais no ho avy hitantana ny Jirama. Dia miandry izay ho vokany indray isika, fa ny azo hamintinana azy aloha izany, dia miaiky ny Fanjakana Rajoelina fa tsy nisy hapoaka sy tsy nisy hatoraka, fa fampanantenana poakaty avokoa ireo nodradradraina hatramin’izay raha tsy hilaza afatsy ilay 400MW kanefa izao vao mainka loza ny tontolon’ny angovo sy herinaratra eto. Isan’ny iraka lehibe ho an’izay mpitantana ho avy eo ny famerenana ny fahasalamana ara-bola noho ny fatiantoka mangitsokitsoka nateraky ny tsy fahaiza-mitantana nanomboka ny 2009 izay nanana ambim-bava maherin’ny 60 miliara Ar, saingy izao bokan-trosa efa ho 2000 miliara Ar. Andrasana indray izany ny tohiny!
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA