amin’ny firenena ankehitriny ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny na delestazy. Na miverina aza ny herinaratra dia tsikaritra ho mbola ambany ny tanjaka ahafahana misitraka izay angovo azo avy amin’ny herinaratra izay. Ireo mampiasa fandanjana herinaratra na «stabilisateur» ao an-tokantrano dia isan’ny mahatsikaritra izany. Matetika tsy mahatratra ilay tanjaka 220 Volt tokony ho fehezina na arindran’ilay «stabilisateur» akory ny tanjakana herinaratra tongan’ny JIRAMA ao amina tokantrano iray fa tena latsaka be any amin’ny 201 na 178 Volt any mihitsy. Ho an’ireo tsy manana izay fandanjana na fifehezana herinaratra izay moa dia mitarika an’ny amin’ny fahasimban’ireo fitaovana fampiasa amin’ny herinaratra ao an-tokantrano toy ny vata fampangatsiahana sy finday mihitsy izany. Rehefa tsy izay dia potika, mitsonika, misy fofona ny sakafo notehirizina tanatin’ireny vata fampangatsiahana ireny. Iharana fahasimbana tahaka izany koa ny solosaina sy ny fitaovana fampiasa amin’ireny toerana fikoloana endrika amam-bika ireny, izay tsy mandeha rahateo ihany koa moa rehefa tapaka ny herinaratra. Manimba fihariana, mampitarazoka asa, manimba fitaovana, manimba filàn’ny olompirenena maro ity olan’ny herinaratra tsy mety voavaha sy misoko miadana ity indray ny vaikany amin’izao fotoana izao, araka izany, raha fehezina.
Nangonin’i J. Mirija
Marary i Madagasikara ka fanafody manasitrana azy, dia ny vahoaka malagasy, no andrasana amin’ny mpitondra,
Raikitra indray ny hevitra manidintsidin’ny mpitondra mikasika ny fahafinaretan’ny maso,
Latsaky ny 10% sisa ireo ala tavela mitahiry ireo harena voajanahary sy biby ary zava-maniry tsy fahita raha tsy eto Madagasikara.
Mihamitombo ireo vehivavy mpivaro-tena mijorojoro eny amoron-dalana vokatry ny fahantrana sy ny tsy fisian’asa,
Tombanana hivadika ho rivo-doza mahery vaika i Dikeledi. Vinavinaina hiditra an-tanety, any amin'ny tapany Avaratra
Nahitana fatin-jazakely natao tao anaty gony notaritin’ny alika tao Ambohijafy akaikin’ny kianja