airtel

Actualités

12-juin-2023

Actualités

Olan’ny JIRAMA Mitohy ny ampamoaka, ny vahaolana tsy apoitra

Sample post image

Omena ny tsy miankina hoe ny JIRAMA, hoy ny fanontaniana napetrak’ilay mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera Mahery Lanto Manandafy na Malama,

12-juin-2023

raha ny hafatra voalaza fa nampitainy tamin’ny vadiny, Doris Rakoto Samuel, indray, satria moa izy mbola any am-ponja? Mba zavatra matotra resahina, hoy i Malama. Voalohany aloha mba jereo ilay «état financier passif» na toe-bola tsy mihetsika! 1600 miliara Ariary no henoko farany. Iza no hividy orinasa mibaby trosa be ohatran'izany? Faharoa ny «retour sur investissement» na fitantanam-bola, raha ny Jirama amin'izao mamokatra «recette» vola miditra manodidina ny 60 miliara FMG na 12 miliara Ariary isam-bolana noho ny fahanteran'ny milina mbola misy lavaka manodidina ny 45 miliara FMG na 9 miliara Ariary. Raha ny filana 400 MM ilain'Antananarivo fotsiny dia efa tombanana 900 tapitrisa Dolara. Tsy mila «expert comptable» na katraka amin’ny fanisam-bola dia fantatra fa sarotra ny hanaovana «placement» na hetsika amin'izany fa ny tena olana goavana indrindra dia eo amin'ny fitokisana. Efa nisy «incidence» na fanafitohinana maromaro isika. Symbion power, izay efa nanao vava mihitsy moa tany Afrika atsimo fa hankalazainy eran'izao tontolo izao fa firenena mikatramo i Madagasikara. Fraise, Tozzi green, Jovenna, raha ny resaka angovo fotsiny. Ny famerenana an'iny fahatokisana iny aman-taonany maro. «Administration» na fitantanana Rajoelina aloha aza miresaka an’izany intsony fa efa be loatra ny «dégâts» na famotehana nataonareo teto amin'ity Madagasikara ity! Na mba notohizanareo fotsiny ny «transition énergétique» na fitohizan’asa momba ny angovo natomboky ny filoha Rajaonarimampianina, tsy ohatran'izao Madagasikara ka dia zakao ao ny vokany. Ao aloha mitsipatsipaka miala aina ao, hoy hatrany ny tenany. Nanao ampamoaka koa moa ny depiote Roland Ratsiraka ny zoma teo fa manodidina ny 50 tapitrisa Dolara ny vola voahodinkodina isan-taona ao amin’ny JIRAMA ary efa nanomboka tany amin’ny fitondrana tetezamita 2009. Inona moa izany no tena sakana mahatonga ny fitondram-panjakana tsy amela malalaka ny orinasa mpamokatra angovo hafa hamatsy ireo tokantrano vonona hanjifa izany hifaninana amin’ity Jiro sy rano malagasy na JIRAMA ity? Mitohy hatrany ny ampamoaka fa ny vahaolana tsy apoitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap