airtel

Actualités

28-mars-2023

Actualités

Olona nolazaina fa maty tao Ambatolampy Tsaho niniana naely, tonga hatramin’ny fianakaviana avy lavitra

Sample post image

Nampalahelo ny zava-nitranga tao an-tampon-tanan’Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo.

28-mars-2023

Raim-pianakaviana iray no voalaza fa namoy ny ainy rehefa narary nandritra ny fotoana maromaro tao an-tokantranony. Nisy olona niantso an-telefaonina ny fianakaviany araka izany mba ho avy hanotrona ny fandevenana azy. Nikoropaka toy ny mahazatra ny rehetra vokatr’izany ka tao ireo nanao an-dranomaso namorona ny tsy misy mihitsy niala teto an-drenivohitra… Tao indray ireo efa nivimbina lamban-drazana….Akory anefa ny hatezeran’ireto farany raha vantany raha vao tonga tany an-toerana izy ireo fa olona mbola velona no novantananiny tany. Raha araka ny vaovao azo dia olona tsy tia an’io Raim-pianakaviana io ary nahalala ny laharam-pindain’ireo fianakaviany no niezaka ny nanely io tsaho io fa maty izy. Ny hany nampitony ny fon’ireo fianakaviana dia ilay havany mbola velona soa aman-tsara saingy mbola manaraka fitsaboana kosa. Tsy vao sambany moa no nisy tranga tahaka izao teto amintsika. Misy mihitsy aza ireo mahavita mandefa ny sarin’ilay olona amin’ny tambajotran-tserasera facebook sy ny mombamomba azy mba hanairana ny olom-pantany sy ny fianakaviany. Mety hampiditra am-ponja anefa ny faniriana olona ho faty tahaka izany raha mitory ilay fianakaviana.
Pati
 

Dans la même rubrique

13-mars-2025

politika, mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra isika ».

Card image cap
13-mars-2025

Tanterahina eto Madagasikara ny Andro Afrikanina faha-15 an’ny Skotisma,

Card image cap
13-mars-2025

Nitrangana haintrano omaly Alarobia 12 Martsa tokony ho tamin’ny 01 ora teo amin’ny

Card image cap
13-mars-2025

Miandry ny fitsarana azy eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy

Card image cap
12-mars-2025

Raha ny mikasika ny fanavaozana natao momba ny fehezan-dalàna mifehy ny asa,

Card image cap
12-mars-2025

ireny farmasia voajanaharintsika ireny!»

Card image cap