airtel

Actualités

25-juin-2024

Orange Madagascar sy JCI

Nanamafy fiaraha-miasa

Sample post image

Tontosa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly, ny fanasoniavana ny fifanaraham-piaraha-miasa

25-juin-2024

vaovao eo amin’ny Orange Madagascar sy ny JCI na Jeune chambre internationale. Fifanaraham-piaraha-miasa izay mifototra amin’ny fampandrosoana ny tanora malagasy izy io, hoy ny fanazavana. Maherin’ny 20 taona izao no nitondran’izany Orange Madagascar izany fanohanana hatrany teo amin’ny hetsika ara-tsosialy nataon’ny JCI teto Madagasikara. Teo koa ireo tetikasa maro izay tsy nitondra afa-tsy fahombiazana hatreto. Tsiahivina fa tambazotra ivondronana tanora 18 hatramin’ny 40 taona ny JCI. Toerana maherin’ny 5000 isa amina firenena 115 no misy azy. Ho an’ny eto Madagasikara kosa dia rafitra miisa 15 amina tanàn-dehibe miisa 11 no iasan’ireo mpikambana 350 ao anatiny. Ny fanomezana sehatra ny tanora eo amin’ny lafiny haitarika sy ny fivelarana ara-pihariana maro moa no tena imasoin’izany, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-sept-2024

Raha misy olana ara-tsosialy tena mampikolay vahoaka amin’izao fotoana izao,

Card image cap
26-sept-2024

Ankatoky ny fifidianana indray, dia mandeha ny fihetsiketsehana maro samihafa ataon’ny mpitondra,

Card image cap
25-sept-2024

Nanamafy ny tanjona lehibe ho an'i Madagasikara amin’ny hanatrarana mpizahatany iray tapitrisa

Card image cap
25-sept-2024

Anisan’ny asa tranainy indrindra ny asa fivarotan-tena manerantany.

Card image cap
25-sept-2024

Zaza vao 9 volana monja no fantatra fa nisy nandatsaka tao anaty lava-drano ary namoy

Card image cap