airtel

Actualités

12-juin-2024

PASTERA SY PROFETY NANAO ADALANA

Roa no nalefa any am-ponja omaly

Sample post image

Miisa roa ireo pastera sy profety nalefa any am-ponja omaly tany Toamasina noho ny adalana nataony.

12-juin-2024

Ho an’ilay iray dia hotsaraina amin’ny datin’ny 11 Jolay ho avy izao izy. Antony hanenjehana azy ny fandripahany vehivavy tao Toamasina ka nampitaraina ny maro. Ny faran’ny herinandro teo no efa nifampitadiavana Ingahirainy raha tsiahivina taorian’ireo fitoriana miisa valobe izao napetrak’ireo vehivavy nadalainy…. Ankoatra ilay ranamana ity moa dia dia pastera iray nanodinkodina zaza tsy ampy taona ihany koa no niakatra fampanoavana tao Toamasina tao omaly Talata 11 Jona ary naiditra am-ponja vonjimaika niaraka taminy. Anisan’ny tena mampalahelo amin’ny tranga tahaka itony moa ny fanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra. Eo ihany koa ny lasa fanaovan’ny olona sasany tsinontsinona ny fivavahana ka tokony hotandreman’ireo milaza ho Raiamandreny ama-panahy fatratra.
Pati
Legende : Efa any am-ponja ilay ranamana ity amin’izao maka saina !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap