airtel

Actualités

06-sept-2024

PDS HARILALA RAMANANTSOA

Laharam-pahamehana ny fandaminana ny tanana

Sample post image

Azo hatao tsara ny manova ny tananan’Antananarivo renivohitra ao anatin’ny fotoana fohy

06-sept-2024

raha araka ny tafa nataony voalohany nataon’ny PDS Harilala Ramanantsoa tamin’ny mpanao gazety omaly Alakamisy 05 Septambra, taorian’ny nanendrena azy ho amin’izany toerana izany. Tsy vitako irery anefa izany hoy izy fa mila ny fifanomezan-tanana sy fanohanana eo amin'ireo hery velona rehetra arahin’ny fandraisan'anjaran'ny mponina. Natombony avy hatrany tamin'ny fandaminana sy fanatsarana ny araben'ny fahaleovan-tena Analakely izany omaly Alakamisy. Halamina sy harindra ireo mpivarotra eny ambany arcade sy ireo parking , lokoina ny ivelan'ireo arcade, hatsaraina koa ny zaridaina, hoy hatrany ny PDS. Rehefa milamina sy manana ny hasiny ny "avenue de l'indépendance" hoy izy dia hanana fahatokisana ny mponina fa afaka tanterahina tsara ny fanovana sy ny fanatsarana ho an'ny tananatsika mba ho reharehan'i Madagasikara ny Renivohitra. Fantatra moa fa hametraka paikady ihany koa ity PDS vaovao ity amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny kaominina. Tsy adinony nandritra izany ny namaly ireo fanontaniana izay manitikitika ny sain'ny maro toy ny mahakasika ny filatsahany hofidiana ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra , ny fizarany ny fomba fijeriny ny zava -misy eto Antananarivo Renivohitra,ny programan'asany amin'ny fanarenana ny Tanànan'Antananarivo ary ny fahavononany amin'ny fanatanterahana ny asa izay nampandraiketana azy.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa fohy nataon’ny PDS Harilala Ramanantsoa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

12-sept-2024

Tanterahina ao anatin’ny 2 andro nanomboka omaly 11 septambra hatramin’ny anio ny fakan-kevi-paritra

Card image cap
12-sept-2024

Maro ny mpitondra Fanjakana ambony voasaringotra amin’ny raharaha kolikoly goavana,

Card image cap
12-sept-2024

Vanim-potoanan'ny rivodoza vao mba mahazo orana ny tanimbarin'i Mahajanga,

Card image cap
12-sept-2024

Voasokajy ho anisan'ireo renivohitra maloto sy mikorontana indrindra eto ambonin'ny i Antananarivo.

Card image cap
12-sept-2024

Miha zava-doza hatrany ny fahatapahana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina.

Card image cap
12-sept-2024

Mitombo isa isan’andro ireo tovovavy mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera Facecook amin’izao.

Card image cap