airtel

Actualités

28-déc-2023

QC STAR, fisolokiana avo lenta

Vokatry ny fahazarana notoloram-potsiny

Sample post image

Miverina ary mihamaro indray ireo endrika fisolokiana avo lenta momba ny fanaovana petra-bola

28-déc-2023

amina karazana orinasa tsy tena misy na misy fa fanambakana no tena ao ambadika. Efa nisy maro no voafitaka tamin’ilay Antares tany aloha, nisy indray ny Macropauline avy eo, dia manomboka malaza indray io ny QC Star, ary manomboka betsaka indray ny mitaintaina satria nikatona ihany koa ny tranonkala na « site web »-n’io omaly. Iretsy roa voalohany izay betsaka ny Malagasy lasibatra satria nanjavona ny vola, ary niala maina ireo izay nitory, toy ny tranga tao Mahajanga izay betsaka ny lasibatry ny Macropauline. Mitovitovy ny fomba fiasa sy ny fiady ao anatiny. Tarihina mivantana na ankolaka ny olona hanao petra-bola, lazaina fa tsy misasatra sy tsy mively farihy fa mioty ny zanany fotsiny avy eo. Mandeha ny hoe : raha mandrotsaka 25dolara na 121 250Ar dia 3600Ar isan’andro ny zanany ; 70dolara na 339 500Ar dia miteraka 10 350 isan’andro miverina 310 500Ar isam-bolana, ary 839dolara na 3 775 500isan-taona. Arakaraka ny vola arotsaka no lazaina fa tombony ka raha 200dolara na 970 000Ar dia lazaina fa miverina 10 840 500Ar afaka herintaona,… hany ka betsaka no roboka. Mandeha ny endrika fampijoroana vavolombelona samihafa fa efa nahazo tombony tahaka izao sy izao. Mety misy tokoa io hoentina hanjonoana ny hafa, fa rehefa tena mandeha sy betsaka ny roboka, ary nandrotsa-bola, dia mikatona sy tsy hita popoka, ary tsy hita hohenjehina ny tena ao ambadika. Matetika ihany koa aza avy any ivelany no miketrika azy io, tsy misy birao sy toerana mazava, fa amin’ny alalan’ny tranonkala, mody jonoiny amin’ny fanokafana rohy sy fampanarahana toromarika ary fandraviravizana tombotsoa.
ZARINA TOLORAM-POTSINY
Inona no andraikitra raisin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ? Ny Malagasy efa sahirana dia vao mainka tratry ny fandraikiraikena ka ny kely ananany ? Betsaka ny zavatra manova ny toe-tsain’ny olona, ary miainga avy any ambony ihany koa ny ohatra. Isan’ny fositra ny fitezana olona ho androrosy miandry mahazo, tsy mila mila misasatra, zarina toloram-potsiny,... Lasa kamo sy manantena ny hanan-karena haingana tsy mila mitsemboka betsaka avokoa. Tsy misy fanantenana amin'ny ezaka intsony satria nozarina notoloram-potsiny lalandava sy hiandry kimoramora : vary tsinjo, tosika fameno, trano mora, jiro mora,... Lasa mora roboka sy manantena kisendrasendra satria izay mihitsy ilay endri-pitantanana ankehitriny, tahaka ny resaka « Tombola » izay ny mpitondra farantampony mihitsy no mipetraka ho ohatra voalohany amin’ny fitezana ny olona amin’ny kisendrasendra. Fampandrosoana inona no ho vanonana ao anaty kisendrasendra sy fambolena hakamoana? Mila mamokatra sy mihary amin’ny ara-drariny !
LASA LESON-DRATSY NY FAMITAHAN’NY MPITONDRA, NY TSY MATY MANOTA,…
Amin’ny lafiny iray, lasa sahy koa ireo mpisoloky satria toa zary mahazatra sy manamarika ny fitantanana ny firenena ny lainga. Maro be loatra ireo famitahana ataon'ny fanjakana nefa tsy misy sazy mihantra akory. Anisan’ireny ny bus 1000 nolazaina ho tonga mialohan’ny faran’ny taona 2022, ny orinasa sy ny fiara gasycar, ny Flyover, ny fitarihana olona hamboly artemesia fa hoe : ambony noho ny vidim-bary io,... Manampy trotraka izany ny endrika kolikoly avo lenta ataon’ny mpitondra toa vitavita ho azy : afera bonbons sucettes 8 miliara Ar, ny volamena 46kg nivadika vy, ny Air Madagascar banky ropitra, ny raharaha olon’ny Fiadidian’ny Repoblika voasambotra tany Londres,… Mila tsapan'ny mpitondra fa miteraka hevi-dratsy sy leson-dratsy ho an'ny taranaka ny fanaovana ireny fampanantenana ireny sy kobaka am-bava sy ny endrika tsy maty manota miseho amin’ny endriny maro ireny. Ary tsy tahaka izany no antsoina hoe : politika fa ny fikatsahana ny tsara mandrakariva anatin’ny fahamarinana sy fahintsiana!
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

Hanana solontena amin’ny fiadiana izay ho Tompondaka eran-tany eo amin’ny familiana «karting »

Card image cap
06-sept-2024

Namoaka fanambarana mikasika ny famonoan’ny polisy an’ilay tovolahikely 19 taona

Card image cap
06-sept-2024

Azo hatao tsara ny manova ny tananan’Antananarivo renivohitra ao anatin’ny fotoana fohy

Card image cap
05-sept-2024

Rehefa mihaino tsara ny lahatenin’ny filoha Rajoelina ny talata lasa teo tamin’ny fitsenana ilay

Card image cap
05-sept-2024

Nahazo famatsiam-bola mitentina 7,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Governemanta Britanika

Card image cap
05-sept-2024

Amin’ny Sabotsy 07 Septambra ho avy izao vao ho maina tanteraka ny toetr’andro

Card image cap