airtel

Actualités

23-juil-2024

Rabejean Miarinarivo

«Tena zakan’ny fanatontoloana tanteraka ny tanora ankehitriny»

Sample post image

Mitsingilahila ankehitriny ny vakodrazana malagasy, hoy ny mpisehatra eo anivon’izany kolontsaina izany,

23-juil-2024

Rabejean Miarinarivo, satria atao toy ny valalan’amboa, ny tompony aza tsy tia. Ny tanora malagasy ankehitriny, hoy izy, ireo taranaka malagasy ankehitriny, dia variana any amin’ny kolontsaina vahiny. Variana any amin’ireo fomba amam-panao vahiny, izany hoe, tena zakan’ny fanatontoloana tanteraka ny tanora ankehitriny. Ny Hip hop, Rap, R’N’B no hiazakazahany. Matetika aza moa dia lasa zavatra mamoafady mihitsy. Lasa kolom-pitombenana na ialantsiny ny filaza mahitsy azy hoe kolom-body no malaza eny anivon’ny fiarahamonina. Azo lazaina hoe efa miverina tsikelikely nefa izay hasin’ny maha malagasy izay, amin’ny lafiny iray, satria raha tsy hiteny aho hoe ny ankamaroan’ny fety aman-danonana, ohatra fotsiny, eo amin’ny Kianjan’ny kanto. Misy kianjana hira gasy ao fa tonga dia feno rehefa mandeha ny hira gasy. Eo amin’ny kianjan’ny hira gasy ery Anosy, tranom-bokim-pirenena, efa misy an’izay. Any ambanivohitra any, na aiza fety aleha rehetra dia tena malaza dia malaza ny hira gasy. Ankoatran’ny gasy dia malaza dia malaza koa ny vakodrazana malagasy. Efa manomboka miverina tsikelikely ihany izany ny olona satria rehefa tena mandinika ireny olona mijery hiragasy na mijery vakodrazana na mijery ireny fitantarana angano sy ny tariny ireny amin’izao fotoana izao dia efa manomboka hita ao daholo ny sarambabem-bahoaka, ireo karazan’olona rehetra lahy sy vavy, kely sy lehibe, antitra sy tanora. Azo lazaina ho efa miverina mankany isika ka aza atao ambany maso tsy hita toa vatan’orona na itodian-tsy hita toa ravin-tsofina ilay kolontsaina maha isika antsika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap