ny isan’ireo sekreteram-panjakana eo ambany elatry ny filoham-pirenena hotendrena. Volena ny Fanjakana roa aloha na « Bicéphale » ka ny andaniny izany eo ambany fitarihan’ny Filoham-pirenena mivantana, ary ny iray eo ambany fitarihan’ny Praiminisitra ? Tsy dia manome endrika fitsinjarana fahefana, fa toa fampivangongoana rafitra any amin’ny Filoham-pirenena mba hanehoana fa miasa sy manao zavatra. Efa lasa mitovy amin’ny rafitra sy andrim-panjakana iray ny sekretariam-panjakana madinika iray izay nambara fa 20 ka hatramin’ny 25 ny olona handrafitra azy, izany hoe : manodidina ny 200 ny fitambarany, izay mihoatra lavitra amin’ny isan’ny depiote sy loholona mitambatra aza. Midika fa vola tsy toko tsy forohana ihany koa no ho lany amin’ny fampiodinana izany na ara-pitaovana na ara-bola na ara-tombotsoa, ka sao politikan’ny zarazarao hanjakana sy hiaraha-mihinana ao anaty Fanjakana ? Tena ilaina ve ny manangana rafitra mifangarika amin’ny governemanta sa tsy atokisana ireo minisitra ka tsy maintsy asiana sekretariam-panjakana ? Hampitombo ny fandaniana ara-bolan’ny Fanjakana ireo, ary toa samy mba manao izay hihinany rehefa jerena. Mangataka vola mba hotantaniny ihany koa mantsy ny loholona. Tany amin’ny 2019 dia nolazaina fa nahena ny Minisitera mba hisian’ny politikan’ny fitsitsiana, saingy tao nampiana ihany avy eo. Nokasaina hofoanana ny antenimierandoholona fa hoe mandany vola, nahena ho 18 raha 63 tany aloha. Izao indray ny faran’ny herinandro teo dia nangataka fa tokony hahazo teti-bola toy ny CIAD (Crédit d’investissement destiné à l’Appui au Développement) izay eo amin’ny 250 tapitrisa Ar isaky ny depiote io, ka mba mitady ny azy ihany koa ny loholona. Marina fa mpiahy ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ny loholna fa moa mpanatanteraka sa mpanao làlana ? Tena tsara tantana ny CIAD sa lasa propagandy ho an’ireo olom-boafidy ary izay ben’ny tanàna tsy mitovy loko politika dia anjorom-bala ?
ANJOROM-BALA NY VONDROM-BAHOAKA ITSINJARAM-PAHEFANA
Rehefa zohiana ihany koa ny resaka fitsinjarana ara-bola hatrany ifotony, nanaovana serasera ny hoe nakarina 30 tapitrisa Ar isan-taona ny fanampiana ara-bola ho an’ny kaominina, fa rehefa atao anie ny kajikajy ka manome 50, 8 miliara Ar isan-taona izany raha ampitomboina amin’ny isan’ny kaominina 1695 manerana ny Nosy. Tsy misy dikany mitaha amin’ny tetibolana minisitera iray, izay raha atao ny salan’isa mety eo amin’ny 600 miliara Ar isan-taona eo. Ny hetra sy ny vola tokony hositrahan’ny kaominina aza indraindray toa ataon’ny Fanjakana foibe be fandraoka toy ny anjara volan’ireo kaominina 25 manodidina ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany goavana ao anatin’ny Faritanin’i Toamasina ka asa na efa naverina amin’ny laoniny na tsia ? Ohatra azo raisina ihany koa ny nilazan’ny ben’ny tanànan’Ampitatafika sady Tale Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny IPAM (Ivom-panajariana an’Antananarivo sy ny manodidina) AtoaRado Raparaeolina ny 27 desambra 2023 lasa teo fa : «isan’ny tena iainan’ny kaominina ny hetra tambatra na «impôt synthétique », ka ny 80% miverina amin’ny kaominina, ary ny 20% no mizara ho an’ny faritra, faritany,… Ankehitriny tsy misy intsony ny faritany, kanefa ny zavatra misy dia lasa mihena 60% ny miverina any amin’ny kaominina, ary misy fotoana aza lasa 47,5%. Fampandrosoana inona no ho vanona amin’izany ? Tena ny fananganana Sekretariam-panjakana am-polony eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika na koa ny fanomezana vola an-jatony tapitrisa hotantanan’ny loholona ve no hampandroso sa ny fahatongavan’ny vola any ifotony ka ny kaominina no mahafantatra izay heveriny fa fampandrosoana ilainy sy mety aminy ?
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA