airtel

Actualités

12-août-2024

Raharaha Antanandrano

Ady tsy mety vita hatreto

Sample post image

Efa nanamafy ny fampanoavana na «cours d’appel»

12-août-2024

ny taona 2016, hoy ny solontenan’ireo mpandova etsy Antanandrano, Bruno Ravelonanosy, fa ny sampan-draharahan’ny fananan-tany na «domaine» no atao hoe fanjakana. Tsy nanome ny orinasa Telma S.A hangataka «expropriation» na fanalàna ny tompony amin’ny taniny ny «domaine», hoy izy, raha ny voalaza tamin’izany fotoana izany. Tsy azona orinasa tsy miankina atao izany. Lavinay marin-drano, noho izany, io fangatahana «expropriation» ataon-drizareo amin’izao fotoana izao io. Nandresy ihany nefa izy tao amin’ny «cours d’appel». Nampiakatra fampitsaharana didy na «cassation» indray izahay nanomboka ny taona 2017 ary nivoaka ny didinay ny 10 septambra 2019 amin’ny alalan’ny «arrêt» na didim-pitondrana 586 ao amin’ny sampam-pampiatoana didy na «cours de cassation» izay nilaza hoe «casser, annuler sans renvoi» na nofoanana ilay didim-pandresena tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany sy «cours d’appel» izay azon’ilay orinasa Telma S.A. Rava tanteraka izany ilay didy hahafahany manao «expropriation». Voatazona tanteraka teto am-pelantananay izany ilay titra teto am-pelantananay tamin’izay fotoana izay. Tsy azo atao na inona na inona intsony ary mbola nitohy nanomboka teo ny fikarakaranay an’ilay tany. Ny tena nahagaga hatramin’izao fotoana izao dia hoe rehefa izay no zava-nitranga dia nangataka indray ry zareo ny taona 2020 teo fanafoanana sy famerenana fanoratana indray io tany io amin’ny anaran’ny orinasa Telma amin’ny alalana tohan-kevitra na «argument» izay azo atao hoe hafahafa daholo. Nangataka «brève délai» na fanafainganana didy tao amin’ny ambaratonga voalohany ry zareo. Neken’ny tao amin’ny fitsaràna izany ary tsy vitan’izay fa dia hoe nodidiana avy hatrany ny hanafoanana ny titra eo am-pelantanan’ny mpandova sy hanoratana an’io tany io amin’ny anaran’ny orinasa Telma S.A ary nampiany hoe «exécution sur minute avant enregistrement».
FAHOTANA MAHAFATY
Izany hoe tonga dia ampiharina avy hatrany. Azo atao hoe fahotana mahafaty mihitsy izany satria tsy azo atao ny mamafa titra amin’ny alalan’ny «brève délai». Tsy maintsy «fond» na hoe porofo mazava no ahafahana manala titra nefa ilay «fond» rehetra rava tanteraka daholo satria vao vita ny tao amin’ny PIL ary efa vitan’ilay tao amin’ny «cassation» nolazaiko teo. Tsy tokony ho azo atao na inona na inona intsony izany ny titra eto am-pelantananay sy ny fizakàna ny maha tompon-tany ireto mpandova rehetra ireto. Eo amin’io tany io mihitsy no fasan-drazan’ireo mpandova. Eo ireo ray aman-dreny rehetra no efa nalevina. Eo ireo no efa navadika ary mbola manodidina eo no mipetraka ny ankamaroan’ireo tompon-tany ireo, ankoatran’ireo eo amin’ilay tany, izay hatramin’izao isika miteny izao dia tazanim-potsiny ohatran’ny tany nahalavoana. Niezaka indray izany izahay sy ireo mpandova rehetra ireo nangataka fandravana izany didy nitranga namafa ny titra teo am-pelan-tanan-drizareo ary lasa nisoratra tamin’ny anaran’ny Telma S.A ny taona 2020 izany.
RAVA INDRAY NY DIDY Tonga ny 2021 dia rava indray io didy io. Mbola nangataka tao amin’ny ambaratonga voalohany indray izy avy eo hanamafisana ny didy ao amin’io ambaratongam-pitsaràna io ihany. Mpitsara iray no manao izany ary mahagaga anay hoe mbola ao izy no sady tsy azo atao na inona na inona. Nangatahana fandravana indray iny didy fanindroany tao amin’ny ambaratonga voalohany iny dia rava indray ny 2022. Niverina aminay indray izany ilay titra fa saingy tsy ampy indray ilay didy navoakan’ny tao amin’ny «cours d’appel». Ny tsy ampy izany dia hoe tokony nodidiana ny hamafana ny anaran’ny titra amin’ny anaran’ny Telma S.A fa miverina tanteraka amin’ilay tompony daholo ilay tany. Tonga tany amin’ny «domaine» dia nanontany ny tao hoe aiza ny didy hahafahanay mamerina ny tany aminareo? Tsy nisy moa ilay izy dia nangatahana fandikàna na «interprétation» tao amin’ny «cours d’appel» ihany. Nivoaka ny didy ny 27 novambra 2023 izay nanafoana ny titra teny am-pelantanan’ny Telma S.A ary namerina izany taminay indray. Nahazo «grosse» na fanamarinana izany izahay ny desambra teo, izay nentina tany amin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany ary notanterahin-drizareo, hoy hatrany ny tenany. Ady tsy mety vita, araka izany, hatreto ny an’ny Telma S.A sy ireo milaza azy ho mpandova, raha ny fanazavany hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana

Card image cap
20-nov-2024

Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,

Card image cap
20-nov-2024

Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»

Card image cap
19-nov-2024

Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,

Card image cap
19-nov-2024

Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»

Card image cap
19-nov-2024

Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,

Card image cap