airtel

Actualités

06-août-2024

Raharaha asa tamina tsenambaro-panjakana

Natao famotorana i Tsiliva, mitaky ny volany ny mpitory

Sample post image

Misy fivoarany ny fitorian’Atoa Maharesy Roi Francis tompon’ny orinasa ETS AR Business ny depioten’i Morondava

06-août-2024

teo aloha Christophe Tsiliva Didiot, raha ny fanazavana nentin’ny mpitory. « Manoloana ny fampijaliana tiany hatongavana dia natao famotorana ny 17 jolay 2024 izy satria notoriako tany amin'ny fitsarana ka nisy ST (soit transmis) nalefan'ny fitsarana ao amin'ny Sampam-pikarohana heloka bevava na « Section des Recherches criminelles » Antananarivo maniraka ny hanamborana azy. Noho ny maha depiote azy moa dia tsy mbola natao ny famotorana, ka tamin’io 17 jolay io vao vita », hoy Atoa Maharesy Roi Francis. « Mitotaly Enina hetsy sy iraika amby dimampolo tapitrisa ariary na 51.600.000 ariary ny vola any aminy amin'izao ka io mihitsy no hanaovany teti-dratsy hampiasany hafetsifetsena isan-karazany », hoy hatrany ny fanazavana nentin’io mpandraharaha mahatsiaro ho lasibatra io. Raha hiverenana, resaka fifanarahana arak’asa mombana tsenan’asam-panjakana fanamboarana EPP Manara-penitra misy efitra 2 any amin’ny Kaominina Betsipolotra Distrikan’i Miandrivazo Marché N°8-MS/MEN/PRMP//TVA 20, izay miteti-bidy 146 120 286,00 Ar no antony. Ny volana janoary 2020 no nivoaka ny antso tolo-bidy. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny depiote Tsiliva sy Atoa Maharesy Roi Francis, fa ny orinasan’ity farany ETS AR Business izay ao amin’ny faritra hanaovana ny asa no hampiandraketina ny asa izay azon’ny ETS Tsilavo (contrat de sous-traitance) satria somary mitoka-monina rahateo ny any Betsipolotra. Nahazo toky tamin’ny depiote Tsiliva, ary misy ny taratasy nifanaovana, raha ny fanazavana tamin’izany. Vao mandeha misy 20% ny asa dia hivoaka ny vola, raha ny fifanarahana, saingy tsy arakarak’izany ny tena zava-mitranga raha ny fanazavana efa nentin’ity farany. Ny jolay 2022, nangataka ny hanefan’Atoa Tsiliva mpisolo tena ny ETS Tsilavo 40 128 900 noho ny vola efa natontony tao sy ny tokony ho zanany (marge bénéficiaires) 30% noho ny fihitsohan’ny volany tsy afa-mihetsika tao Atoa Maharesy Roi Francis. Raha tsy horaisin’ny ETS Tsilavo ny asa, dia 87 093 000 Ar no nangatahany amin’io orinasa solon’ny depiote Tsiliva io tena hamitana ny asa tamin’ny jolay 2022, raha ny fanazavany tamin’izany. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap