fitondram-panjakana dia mitaky ny hanokafana izany tetikasa izany, hoy ny solontenan’ireo fikambanana sy fiarahamonim-pirenena manohitra izany sy manohitra ny tetikasa Bas Mangoky omaly tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga. Etsy ankilany, hoy izy ireo, efa fantantsika ihany koa fa nisy fakan-kevitra natao tamin’ireo mponina eo an-toerana. Mbola manamafy hatramin’izao ireo mponina ireo fa tsy mankasitraka an’io fitrandrahana fasimainty kasain’ny orinasa Base Toliara atao ao an-toerana io. Misisika hanao izany anefa ny fitondram-panjakana sy ny mpomba ny tetikasa. Hitantsika ireny fanambarana nisesisesy nataona tomponandraiki-panjakana toy ny loholona Tsiebo Mahaleo tato ho ato na ny filoha lefitry ny antenimieran-doholona, Nicolas Rabemananjara, ireny hoe tsy maintsy misokatra io orinasa io. Ny tena manahirana dia ilay lalàna mikasika ny harena an-kibon’ny tany vaovao izay tena mamatotra ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny nefa vitsy no afaka hamaky izany. Ny fifanarahan’ny orinasa Base Toliara sy ny fitondram-panjakana teo aloha dia hoe eo amin’ny 4% eo ny hetra ho alohan-drizareo. Amin’izao fotoana izao, noho iny lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany iny dia lasa 5%. Tsy any no olana fa ankoatran’ilay fasimainty izay efa notoherin’ireo mponina tamin’ny heriny rehetra niaraka taminay, izay isan’ny tompon-tanindrazana ihany koa, dia hoe hitrandrahana «Monasite» indray koa ilay toerana. Io moa no ahodina ahazoana «terre rare» na tany tsy fahita firy. Ireo faritra na «site» efa nofaritan’izy ireo hanaovana ny tetikasa Base Toliara ihany ve no hanaovany izany sa mbola misy toeran-kafa na amina toeran-kafa mihitsy?
FANAOVANA TSINONTSINONA NY MALAGASY
Ny manahirana dia misy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy mihitsy ao satria harem-pirenena io ary tsy tranga maningana io akory fa saika ahitana olana toy io manerana an’i Madagasikara. Ny fitondram-panjakana izao teo dia nilaza fa misy toeram-pitrandrahana miisa 20 kasain-drizareo atao satria izay indray izany, hono, no fanoitry ny fampandrosoana. Efa tsy manaiky ilay fitrandrahana fasimainty izany ilay mponina dia mbola ampiana fitrandrahana «monasite» indray. Tsy misy firaharahiana ny tompon-tany sy ny vahoaka malagasy mihitsy izany fa dia manao ny fomba rehetra handehanan’ny fitrandrahana fotsiny ry zareo raha izay no hahazoana vola. Tsy misy fampandrosoana tsy natao hijerena ny mahaolona izany anefa. Rehefa mifanohitra amin’izany ny fampandrosoana dia toherinay. Mahakasika ny tetikasa Bas Mangoky, izay mahakasika ny kaominin’i Morombe manokana indray, izay misy ilay lakandrano na «canal» P2 dia averina ihany fa tsy misy manakana fampandrosoana saingy tsy ekena ny hoe misy mponina manodidina ny 5000 isa no efa nanajary ilay tany. Ny nampanantenaina tany am-boalohany dia hoe ho atao ny fotodrafitrasa saingy aorian’izay dia miverina aminareo ny taninareo. Misy olona anefa amin’izao fotoana izao tena tsy miverina aminy ny taniny na dia 1ca aza. Misy olona 100ha no nananany nialohan’io tetikasa io. 1,25ha sisa no naverina aminy. Tafahoatra izany! Misy raiamandrenibe nanana 400ha nefa ny antsasak’izay sisa no naverina aminy. Miisa 3 ny zanak’io rangahy io. Nofonjaina any Morombe ny iray satria tsy nanaiky izay fizarana tsy ara-drariny izay, hoy hatrany ny tatitr’izy ireo.
J. Mirija
Manodidina my 60 000 MW isan'andro no tsy ampy amin'ny vokatra herinaratra ho an'Antananarivo sy ny manodidina
Na tiana na tsy tiana dia azo bangoina amin’ny hoe ny fanarenana ny toekarena sy sosialy eto amin’ny
Azo lazaina ho mijanona ho fanadroadroana hatreto ny teny filamatr’izao fitondram-panjakana
Ampio lasary kely!» ohatran’ny hiran’i Samoela ity dia efa izy, hoy ny zatovolahy iray,
Ho an'ny fianakaviana sasany dia mety mbola hiitatra hatrany amin'ny herinandro voalohany
Na an-davan’andro, indrindra, tao anatin’ny fetin’ny noely sy faran’ny taona farany teo,