airtel

Actualités

02-juil-2024

Raharaha Hiram-pirenena

Taratr'ilay kitoatoam-pitantanana misy eto

Sample post image

Niala tsiny noho ny tsy fahatomombanana re tamin'ny hiram-pirenena teny amin'ny kianja Barea

02-juil-2024

nandritra ny matso lehibe ny 26 jona lasa teo ny niandraikitra ny fanamafisam-peo. Taratasy nitondra ny darin'ny 27 jona 2024 io. Omaly 1 jolay 2024 namoaka fanambarana fohy tao amin'ny pejiny (facebook) ny fiadidiana ny repoblika hoe mandray am-pitiavana sy am-pankasitrahana ny fialan-tsiny noho ny olana teknika nandritra ny lanonana nanamarihana ny fetim-pirenena. Voalohany aloha somary mahagaga ihany ilay elanelam-potoana, efa ny alarobia 26 jona tolakandro no niteraka resabe sy adihevitra be ilay hiram-pirenena, nitohy ny alakamisy 27 sy zoma 28 jona izany. Nahoana no tsy nandrenesam-peo mihitsy na ny komity mpikarakara, na ny fiadidiana ny repoblika. Faharoa , ny faran'ny herinandro teo izany hoe ny sabotsy sy alahady vao nahoraka be ilay hoe fialan-tsiny avy amin'ny Sonorisation Kiki, izay marihina fa anisan'ny tena matihanina sy efa ela niasana teo amin'io sehatra io, niara-niasa ary mbola miara-miasa amina mpanakanto maro. Tsy mbola nisy nitaraina ireo na ny iray aza hoe, tsy re ny feo voalohany.Fahatelo, toa ilay hiram-pirenena ihany no nisy an'io olana hoe tsy re ny feo voalohany io tamin'iny hetsika teny Mahamasina iny. Fa ny tena mahagaga dia ny hoe f'angaha tsy efa nisy famerenana sy andrana momba ny feo sy ny fanamafisam-peo, tahaka ny fanao rehefa misy lanonana. Nisy tompon'andraikitra voalohany tao dia ny komity mpikarakara ny fanamarihana ny fetim-pirenena, fa tsy hoe ny "Sonorisation Kiki" no "organisateur" an'iny. Nahoana no tsy sahy niteny ireo tompon'andraikitra ofisialy ireo dia nanazava ho fanta-bahoaka ny tena zava-misy marina. Ary mazava ho azy fa ry zareo ireo no nisafidy hoe iza no hiantsoroka ny fanamafisam-peo. Raha itarina kely ny resaka dia nisy endrika fialan'andraikitra ihany tamin'ity raharaha ity dia nahilika any amin'ilay mpanao fanamafisam-peo ny rihitra rehetra. Ny andrasan'ny mpanara-baovao izao dia hoe inona ary ny fepetra ho raisina satria nisy izany ny olana ary Ry tanindrazanay malala ô, hira mariky ny fiandrianam-pirenena no voatohintohina ? Manarak'izay raha ny tena marina ifampizarana ny andraikitra amina zavatra tahaka izao ka iza avy ary no tompon'andraikitra ? Moa ve efa nisy fanadihadiana natao, sa maika fotsiny hitady izay meloka manaiky hibaby ny zioga dia samy vita eo fa ny tena fototry ny olana tsy resahana. Dia izay ilay olana goavana tsy mampandroso ilay firenena anefa.
RTT
 

Dans la même rubrique

04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap
03-juil-2024

Voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby isika ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,

Card image cap
03-juil-2024

Omaly no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nankalaza ny faha-248 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia ho an'ny eto Madagasikara .

Card image cap
03-juil-2024

Omaly 02 jolay no natolotra ny sampan-draharaha mpisitraka ireo fitaovana

Card image cap