airtel

Actualités

12-août-2024

Raharaha nahafaty ny Dr Rado Ratobisaona

Nampidirina am-ponja ny sakaizany

Sample post image

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Zandarimaria momba ny ahiahy famonoana ny Dr Rado Ratobisaona,

12-août-2024

ilay mpampianatra mpikaroka momba ny toekarena teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso, dia nampidirina am-ponja vonjimaika ny sakaizany ny zoma teo rehefa natolotra ny fampanoavana teny Anosy, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Raha tsiahivina dia maty irery tao an-tranony ity filohan'ny CREM na faribolam-pandinihan’ny mpahaitoekarena malagasy teo aloha ity ny 2 Jolay lasa teo. Neverina ho nianjera irery tao moa izy tamin’ireny fotoana ireny. Ny fianakaviana kosa anefa niahiahy famonoana ka nisokatra ny fanadihadiana nataon’ny Zandarimaria, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Tena sakaiza manody tokoa ve izany ity sakaizan’i Dokotera ity? Ho hita eo moa ny tohin’ity raharaha ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap