airtel

Actualités

31-oct-2024

Rajoma Paul

« Tahina no matotra sy mendrika hitondra an’Antananarivo »

Sample post image

Tsy ampy sakafo Malagasy, tsy ampy rano, tapaka jiro, tsy ampy fidiram-bola, maina ny molotra,

31-oct-2024

maina ny paosy, maina ny vava,… Ireo no namintinan-dRajoma Paul Raiandreny mpisehatra amin’ny politika sy ny raharaham-pirenena ary ny tantaram-pirenena, raha ny nivahiny tao amin’ny Top Radio FM 102.8 omaly. Isan’ireo voasambotra tany Vangaindrano tamin’ny raharaha momba ny fanagadrana ny depiote Mahavitara Sylvestre, rehefa nitarika ny fanelanelanana, niantso ny hisian’ny fifampiresahana,… saingy nafahan’ny fitsarana. Olana eto Madagasikara ny tsy fahaizana mifampiresaka sy tsy manaja ny soatoavin’ny « Fihavanana », ary isan’izany ny tranga tany Vangaindrano, hoy izy. Momba ny raharaham-pirenena, ho avy ny fifidianana amin’ny 11 desambra, ary isan’ny zava-dehibe ny eto Antananarivo. Nahitsy izy naneho, fa eto no renivohitr’i Madagasikara sy taratry ny Firenena voalohany ary iombonan’ny Malagasy rehetra, foko 38 na 40 eo no monina eto, ka mila malina amin’ny fifidianana satria mila olona matotra, olon-kendry,... Mila olona vonona izany fa tsy atao petatoko na kisendrasendra fa olona tena mahafehy ny fitantanana, mifanahina Raiamandreny, hendry, matotra, olona sahy mandray andraikitra fa tsy miandry tolorana, olona afaka mamakafaka sy mandalina ary manadihady ny zava-misy eny amin’ny fiainam-boahoaka ifotony,… hoy Atoa Rajoma Paul nanamafy nanamafika fa isika no mizaka ny vokany raha diso safidy. Nambarany fa tokony ho olona afaka mametraka sehatr’asa ifameloman’ny vahoaka satria raha 3 tapitrisa eo ny vahoaka dia ny 70% no mahantra, ka fizarana koveta ve no vahaolana ka hatao mpanasa lamba daholo ny olona sa misy seha-pihariana hafa hanabeazana azy sy tokony hivelarany. Nomarihiny fa tokony haka lesona tamin’ny fitantanana nifamdimby ary ankehitriny dia tontolo roa mifanohitra no misy, mifanao antsojay ara-pitantanana ka ny vahoaka no lasibatra. Mila olona manakaiky vahoaka, manana ny fahendrena, hametraka ny filan’Antananarivo amin’ny maha renivohitra azy, manaiky hotsaraina amin’ny zava-bitany, fa tsy olona hotompoina i Antananarivo, ka Atoa Tahina Razafinjoelina no nambarany fa mahafeno izany. Miantso fiaraha-mientana sy fifanoloran-tanana ary fifandrombonana amin’ny fanohanana an’i Tahina Razafinjoelina Atoa Rajoma Paul satria aminy dia Tahina Razafinjoelina no manana ny vina sy petra-kevitra hanovana an’Antananarivo. Olona manana fahafaha-manao, tsy miraviravy tànana fa tonga dia mandray andraikitra no ilaina. Olon’ny fiarahamonina ary olon’ny haifindraisana, tsy manana eritreritra afatsy ny fampandrosoana an’Antananarivo, tsy manana adilahy politika, ary tsy mieritreritra hanilika ny hafa fa hampitambatra ny Malagasy no tanjona izy, hoy hatrany Atoa Rajoma Paul.
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-nov-2024

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana

Card image cap
20-nov-2024

Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,

Card image cap
20-nov-2024

Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»

Card image cap
19-nov-2024

Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,

Card image cap
19-nov-2024

Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»

Card image cap
19-nov-2024

Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,

Card image cap