airtel

Actualités

18-mars-2025

Ranaivoson Henri Roger

"Be ny olona no efa leo sakoroka"

Sample post image

Kolikoly, fanamparam-pahefana, ampihimamba ara-toekarena, herim-pamoretana,

18-mars-2025

lasa fitovana politika ny Fitsarana, tsy fandriampahalemana, fahantrana...ny Gasy ve no mahari-pery sa ny mpanohitra no marefo ? Manana ny heviny sy ny fomba fijeriny Atoa Ranaivoson Henri Roger, Chief of Staff teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, olona akaiky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
TT : Fanonganam-panjakana sa fametraham-pialana tokoa no tena nitranga ny 17 martsa 2009, 16 taona lasa ?
HR : Tsy ampihambahambana no ilazako fa fanonganam-panjakana no nitranga tany Madagasikara ny 17 marsa 2009. Ny ankoatr'izay toy ny hoe : fametraham-pialana izany dia fanodikodinan-dresaka fotsiny. Fiokona sy fanafihana Lapa-panjakana miaro vono olona sy fametrahana fitaovam-piadina mahery vaika mibahana eo ambavahadin'ny Lapan'Ambohitsorohitra ve handainga ?
TT : Nahatsiaro ho irery nilaozan-tsakaiza ve ny filoha Ravalomanana sa tsindry avy any ivelany no namindra fahefana tamin’ny "Directoire Militaire" ?
HR : Antony vitsivitsy no nanery azy raha ny fahitako azy:
A - Tsindry mavesatra avy amin'ny mpitarika ny fanoherana izay nandidy ny miaramila tsy handray baiko raha tsy avy amin'ny Ben'ny tanànan'Antananarivo intsony tamin'ny kabariny teo amin'ny 13 mai.
B - fivadihan'ny Filoha-na andrim-panjakana anankiroa (Praministra sy Filohan'ny Antenimiera) nidina teny amin'ny 13 mai niangavy ny Filoha amperinasa Marc Ravalomanana hametra-pialana.
D - Rezimanta miaramila CAPSAT mikomy ankitsirano sy nanafika teny Iavoloha koa anisan'ny nahatonga saina ny Filoha sy ny manodidina azy.
E - Tsindry na pression an'ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy tamin'izany koa etsy andaniny. Teo koa ny torohevitry ny Ambasadaoro amerikana Niels Marquardt izay nahatsapa fa lasa mahery vaika be ny fitakiana ny fialany. Misy aza moa milaza fa ny Ambasadaoro amerikana no anisan'ny nanomana ny fandehanany nandao an'i Madagasikara. Ireo no anisan'ny antony nanery azy hampiasa ny Lalampanorenana hamindra fahefana amin'ny "Directoire Militaire" rahefa tsapany fa atody miady amam-bato sisa ny fitondrana tarihiny. Ireo no antony lehibe heveriko fa nandraisany fanapahan-kevitra.
TT : Misintaka tsikelikely amin'i Andry Rajoelina ireo nanongam-panjakana niaraka taminy tamin’ireny 2009 ireny, midika inona izany aminao ?
HR : Misy tokoa no misintaka tsikelikely amin'ny Filoha Rajoelina ny sasany amin'ireo nanongam-panjakana niaraka taminy saingy vitsy an'isa. Teo ny diso fanantenana ary teo ny voahilika tsy nahazo toerana. Teo ny balaoasy be vava fotsiny fa tsy nahavita azy rahefa nomeny andraikitra. Teo ireo niaraka tamin'ny filoha Rajaonarimampianina ary tsy noraisiny intsony fa noheveriny fa namadika azy. Midika izany amiko fa laharam-pahamehana aminy ny mamihina sy manamafy ny fahefana eo ampelatanany ary manala izay heveriny fa hanimba ny fitondrany. Ary tena ataony ankilabao sy potehiny ireo noheveriny fa namadika azy. Manana toetra "personnalité" tsy azo hozongozonina izy amin'izay lafiny izay.
TT : Ny Gasy ve no mahari-pery sa ny mpanohitra no marefo manoloana izany ?
HR : Izaho manokana dia tsy miresaka ny zavatra tsy hitako sy tsy ananako porofo. Zaho rahateo tsy mipetraka any Madagasikara fa tazan-davitra avy aty ivelany fotsiny amin'ny gazety na fahitalavitra sy ny tambazotran-tserasera ka sarotra ho ahy ny hitsara mikasika ny kolikoly na ampihimamba ara-toekarena na ny Fitsarana. Ny tambazotra koa tsy azo ianteherana ho marina daholo ny zavatra lazainy. Na izany na tsy izany, tsy misy idiran'izay hoe mahari-pery na tsy mahari-pery ny Gasy, na koa hoe marefo ny mpanohitra, ny tsapako rahefa miresaka amin'ny olona aho rahefa manao vakansy any Madagasikara dia be ny olona no efa leo sakoroka noho ny tsy fahombiazan'ireny hatramin'izao : 1972, 1991, 2009, 2019. Heverin'ny olona fa ny eo ihany no eo ary tsy miantraika amin'ny fiainam-bahoaka fa vao mainka aza miha-sahirana ny olona.
TT : Mety hisy fiantraikany amin'ny hitohizan'ny AGOA ve ny zava-misy ankehitriny ? HR : Misamboaravoara be ihany ny fizotran'ny raharaha eran'izao tontolo izao fa tsy ao Madagasikara irery, indrindra moa ao Etazonia izay miova sata sy fihetsika mihintsy ka ny mpitondra amerikana irery ihany no tompon'ny fanapahan-kevitra farany raha ny mikasika ny AGOA. Ny zavatra itompoko dia tsy misy firenena mahavita tena izany na dia firenena matanjaka indrindra erantany aza. Tsy maintsy mila vokatra sy entana vokarina avy any ivelany i Etazonia ary izany no itokisako fa mbola hitohy ny AGOA na dia ho tapahiny volana vitsivitsy aza.
TT : Hampiantrano fivoriana iraisam-pirenena roa i Madagasikara amin'ity taona ity, COI sy SADC. Ho tafaverina amin'i Madagasikara ve ny îles éparses ? HR : Hivory any Madagasikara tokoa ny COI sy ny SADC. Zava-dehibe foana ny fivoriana iraisam-pirenena toy ireny ary mitondra endrika na eo an-toerana na eo amin'ny sehatra iraisam-irenena ho an'i Madagasikara ny fampiatranoana izany. Anjaran'ny fitondrana mahefa ao an-toerana ny manao izay hanararaotana hitondrana vokatsoa ho an'i Madagasikara sy hampiseho eo imason'izao tontolo izao ny endrik'izany firenena malagasy izany amin'ny lafiny rehetra. Raha ny Iles éparses indray no asiana resaka dia tsy hampiverina amin'i Madagasikara ireo Nosy Malagasy ireo akory ny fivoriana fa io fifampiraharahana amin'ny firenena roa tonta. Samy miziriziry amin'ny heviny na i Frantsa na Madagasikara ka mihenjan-droa ny tady. Tsy te hiala ao ny Frantsay satria hainy loatra fa mitahiry harena tsy hita pesipesenina ireo Nosy ireo. Madagasikara sy ny vahoakany kosa tsy manaiky izany. Tsy mahasakana antsika Malagasy tsy hitaky tsy ankijanona ireo Nosy ireo anefa izany mandram-pahazoantsika azy ireo na rahoviana na rahoviana.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

21-mars-2025

Nanomboka omaly ny fanadiovana ny tsena eto Antananarivo renivohitra araka

Card image cap
21-mars-2025

Sarotra ny hanantena fahagagana amin’izao fitondrana izao ao anatin’ny 5 taona ho avy.

Card image cap
21-mars-2025

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Pho Resto Ampasamadinika ny

Card image cap
21-mars-2025

Tena sahirana ny ankamaroan’ireo zokiolona eto amintsika.

Card image cap
21-mars-2025

Ny taona 2015 aho no niady tao amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany na

Card image cap