airtel

Actualités

26-déc-2024

Randrana sendikaly

«Aoka izay ny vahaolana takon-kenatra!»

Sample post image

Mifarana ny taona fa dia miatrika fahasahiranana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara,

26-déc-2024

hoy ny Randrana sendikaly. Ireny nanao fanambaràna ireny izao, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga, ny vondron’ny eveka mikasika ny fiakaran’ny vidim-piainana eto Madagasikara. Nanao fanambaràna koa ny FFKM dia mankany amin’ny fahitàna ny fiainana eto ho tsy milamina izay avokoa, hoy izy, ny fahatsapàn’ny olobe. Ny rehetra izao no mahatsapa fa mankany amin’ny fitotonganana ny fiainan’ny malagasy. Ny any amin’ny tambazotran-tserasera mandeha ny fanadihadian’ny tambazotra toy ny an-drizareo soisa, Watson, sy ny tombany dia mahita hoe mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika. Taratra aty amin’ny tontolon’ny asa izany rehetra izany izao ary antony mahatonga anay mampahatsiahy hatrany hoe ny asan’ny sendika dia miaro ny zo sy tombontsoan’ny mpiasa sy ny vady aman-janany, manao fitakiana raha misy tsy fanarahana izay zo izay ary mitaky hatrany ny fanarahan-dalàna ao anatiny. Ny tsy adino koa ao anatin’izany dia ny fanomanana sosokevitra entina hanatsaràna ny tontolon’ny asa manoloana ny resaka ahiahy amin’ny mety hisiana krizy politika eto amin’ny tany sy ny firenena. Taom-pifidianana tsinona izao ity taona ity dia samy nikaikaika ny rehetra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka. Izao indray niatrika ny kaominaly dia samy niteny daholo hoe farany nisehoana tsy fanarahan-dalàna. Mazava ny an’ny Randrana sendikaly hoe raha ohatra ka ny voka-pifidianana tahaka iny ben’ny tanàna izay akaiky indrindra ny vahoaka iny, izany hoe mahakasika mivantana ny mpiasa iny, no sanatria hiteraka krizy satria nisy tsy fanarahan-dalàna hitan’ny rehetra tao dia tsy eken’ny Randrana sendikaly izany. Rehefa lava ny krizy dia tsy ny mpamorona krizy no hiharan’ny fahavoazana fa ny mpiasa malagasy sy ny vady aman-janany sy ny manodidina azy amin’ilay tenenin’ny rehetra hoe vahoaka. Manome sosokevitra sahady izany ny Randrana sendikaly hoe tokony handray andraikitra daholo izay nahatsapa ho tomponandraikitra rehetra raha hiteraka krizy ireny fifidianana ireny. Tokony hitady ny vahaolana politika mba tsy hisian’izay krizy izay. Nampalahelo izao ny naheno hoe tany Ambilobe nisy mpitandro filaminana nanakana manam-pahefana havan’ny mpitondra ambony eto amin’ny tany sy ny firenena dia nampitahorina amin’ny resaka famindràna asa na «affectation». Efa mafy be ny fiantraikan’ny vidim-piainana dia mpiasa manao ny asany toy izany no sotasotaina. Andraikitry ny mpitandro filaminana ny manakana sy manontany. Isan’ny fitarainana tonga aty aminay izany. Ny orinasa sasany mampody mpiasa fotsiny tsy amin’ny antony, tsy misy taratasy, tsy misy na inona na inona dia vao mainka moa misy ity kizarazara vary sy fanampiana etsy sy eroa ity. Miteraka olana aty amin’ny mpiasa io satria mangataka alalana amin’ny orinasa anya m-piasany ilay mpiasa hakàny an’iny dia lany amin’iny ny fotoana tokony hamokarany. Tsy mahagaga raha 5 taona aty aoriana, efa nahavita fotoam-piasana iray ilay fitondràna dia mbola mahatsapa ihany hoe mahantra ny vahoaka. Rahoviana izany ny fitondràna vao hamaha ny olan’ny fahantrana? Lazaina koa izao hoe lasa tsara tantana ny CNaPs, izany hoe niaiky koa izany izy fa tantely afa-drakotra io teo ka ho hadinoina ve izany ilay resaka 11 miliara Ariary nalain’ny SMGD na ny kaominin’Antananarivo tao? Toy izany koa ny 40 tapitrisa Dolara nankany amin’ny Air Austral dia avy eo nankaty amin’ny Air Madagascar. Efa niverina ve ireny sa hoe nandrotsaka latsakemboka ny ankamaroan’ny orinasa? 470 miliara tsinona no lazaina fa azon’ny CNaPs ka 350 miliara no nampiasaina. Sao dia hanaovana vahaolana takon-kenatra tahaka io resaka fanomezana ny zokiolona 80 taona izay efa mampitaraina sahady ny zokiolona sasany tonga aty aminay io hoe tsy tokony ho an’ny 80 taona ihany? Aoka izay ny vahaolana takon-kenatra, hoy hatrany ny Randrana sendikaly!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-déc-2024

Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra

Card image cap
26-déc-2024

Tsy mety tapitra ny trafikana volamena miainga avy eto Madagasikara, fa tena mbola mampiteny ny moana.

Card image cap
26-déc-2024

Tena nanao ny nataony ny delestazy teny Itaosy Atsimondrano afak’omaly Talata 24 Desambra.

Card image cap
26-déc-2024

Nodimandry ny talata 24 desambra 2024 teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ny Pr Manantsoa Victor.

Card image cap
26-déc-2024

Raha tamin’ny andro taloha dia ny fotoana akatoky ny fety toy iny harivan’ny 24 desambra 2024

Card image cap
24-déc-2024

Tena efa reraka ny vahoaka raha mbola hizioga krizy toy izay nisy teo aloha, hoy ny mpikatroka avy eo anivon’ny

Card image cap