airtel

Actualités

25-févr-2025

Rano miakatra, fihotsahana

Tafakatra 22 ireo maty, voa mafy Antananarivo

Sample post image

Misesisesy ny loza vokatry ny rotsak’orana be loatra izay niteraka fiakaran’ny rano sy fihotsahan’ny

25-févr-2025

tany sy fianjeran’ny tamboho, trano ary fotodrafitrasa hafa. Manerana ny Nosy, tafakatra 22 ny namoy ny ainy, 19764 ny traboina izay avy amina tokantrano 5221. Eto Analamanga avokoa ny 17 483 amin’ireo traboina, 2164 Menabe, 26 amoron’i Mania. Miisa 361 ny trano dibotrano, 7 fahasimbana, 15 ny rava tanteraka, raha ny antontan’isan’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza. Anisan’ireo tranga nampalahelo nahafatesana olona ny teny Volosarika Ambanidia, omaly alatsinainy 24 febroary 2025 tokony ho tamin’ny 7 ora maraina, nisiana fianjerana tamboho nanototra trano, ka nahafatesana zazalahy kely 2 taona, raha naratra kosa ny ray aman-dreniny izay nentina nifamonjena haingana tao amin’ny hopitaly HJRA. Tototry ny biriky sy hazo nanamboarana io trano nianjera io ilay zazalahy kely izay mbola teo ambony fandriana. Ny ampahany no nirodana tamin’izany ka tsy maintsy narodana manontolo hisorohana ny loza mety hitranga. Soa ihany fa tsy nisy aina nafoy na olona naratra. Tsy ela talohan’izay, teny Ilanivato ny faran’ny herinandro teo, olona telo mianaka no namoy ny ainy tamin’ny fihotsahan’ny rindrin-tany efa nandindona vokatry ny oram-be izay nahatonga fihotsahana ka nanototra azy ireo tao amin’ny trano hazo nonenany. Olona 5 mianaka no tao an-trano ka renim-pianankaviana 46 taona sy zanany vavy 6 taona, sy zanany lahikely 6 volana. Avotra ny zanany vavikely 11 taona sy 2 taona latsaka izay mbola manaraka fitsaboana. Voalaza fa efa nanaovan’ny olona fanairana mba hamboarina ilay rindrin-tany, saingy tsy noraharahiana. Talohan’izao, efa nisy ihany koa ny firodanana nahafatesana raim-pianankaviana teny Ambohimahitsy,… Isan’ny tena nahery vaika ny orana ny alahady teo, ka maro ny tra-pahavoazana indrindra tamin’ireo faritra iva teto Antananarivo, ka anizany ny tranga iray teny Ankadindramamy izay niantsoana mpamonjy voina ny fanavotana fianankaviana traboina. Mankahery ireo fianakaviana niharam-boina sy ireo very fananana, ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra. Manoloana izao toe-javatra izao, ampitaina hatrany amin’ny rehetra ny tokony ho fitandremana sy fahamailoana amin’ny fotoam-pahavaratra. Matetika dia antony lehibe mahatonga ny loza ny fanorenana sy fanotorana tsy ara-dalàna, izay mbola tsy ahitana fepetra hentitra raha tsy efa misy loza mitranga satria mandeha ny tsikombakomba sy ny kolikoly samihafa, ka ilàna fandraisana andraikitra.
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap