airtel

Actualités

22-oct-2024

RENIKELY VAO TERAKA TSY NAHAZO ZAZA

Notaperiny ny ain’ny zana-badiny , nalefa any am-ponja

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

22-oct-2024

kaominina ambanivohitr’i Belobaka ny 11 Oktobra teo tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Zazalahikely tokony ho 4 taona no hitan'ny fokonolona tany anaty ala efa tsy nisy fofon’aina intsony. Raha araka ny tsaho niely tany an-toerana dia nisy mpangala-jaza nandalo tany amin’iny faritra iny no sady mangalatra taova, antony nahafaty ity zaza tsy manan-tsiny ity. Nihorohoro vokatr’izany ny fokonolona tao an-tanana. Rehefa nanao fanadihadiana anefa ny mpitsabo sy ny zandarimariam-pirenena dia voaporofo fa tsy marina ilay tsaho. Tsy nisy taova very mantsy ilay zazalahy kely. Nitohy ny fanadihadiana taorian’izany ka ilay Renim-pianakaviana, vadin'ny Rain’ilay zaza maty ihany no nampangaina ho nanapitra ny ain'ilay zaza sy nanary azy tany anaty ala.Vao avy niteraka mantsy ny anaovavy ka tsy azo ilay menaky ny ainy. Niteraka fialonana tao anatiny izany ka notaperiny hatramin’ny ain’ilay tsy manan-tsiny izay nosokajiany ho zana-drafiny. Natolotra ny fampanoavana omaly Alatsinainy 21 Oktobra moa ity Renikely nahavanon-doza ity ka naiditra am-ponja vonjimaika. Ilay toe-tsaina aleo samy tsy manana moa no fantatra fa nandalo tao an-dohan’ity vehivavy ity, antony nahavitany namono olona tahaka izao.
Pati
Legende : Ity ilay Renikely nahavanon-doza !

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap