raha ny fanazàvana nomen’ny avy eo anivon’ny FDA na Focus development association, izay fikambanana miara-miasa amin’ny firenena mikambana amin’ny alalan’ny UNHCR miady amin’ny tsy fananan-tsata eto Madagasikara. Ny taona 1960 hatramin’ny taona 2020 dia miisa 1599 ireo taratasy fiofoana na «naturalisation» ho malagasy navoakan’ny fanjakàna teto Madagasikara. Isan’ny nisitraka izay, araka izany, ireo mpilalao teo anivon’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra na Barea nanomboka ny taona 2018. Ny taona 1989 hatramin’io taona 2020 kosa dia voalaza fa niisa 6 monja ireo «naturalisation» nekena tamin’ireo fangatahana niisa 194 momba izany teto Madagasikara. Ny taona 1960 hatramin’ny 1997 dia miisa 743 ireo teratany vahiny amin’ny antsoin’ny malagasy hoe Karàna, izay amin’ny ankapobeny dia avy any Inde sy Pakistan, nisitraka izany «naturalisation» malagasy izany. Amin’ny ankapoben’ny, raha ny fanazavàna hatrany, dia matetika ireo olona manan-talenta manokana tahaka ny amin’ny resaka fanatanjahantena sy zava-kanto na koa olo-malaza amin’ny sehatra hafa ka mety hitondra tombontsoa manokana ho an’ilay firenena no ekeny hiofo na ho «naturalisé» ao amin’ilay firenena. Tsy moramora, araka izany, ny fahazoana an’io, eny, na eto amintsika aza, mainka moa fa any amin’ireo tany mandroso. Nisitraka izany tamin’ny firenena frantsay nefa ny filoham-pirenena malagasy, izany hoe tena nataon’ny filoha malagasy ho tombontsoan’i Lafrantsa izay resaka fanovàna zom-pirenena na «naturalisation», raha iverenana hatrany ity fanazavàna ity. Mbola tsy iverenana akory ny fanekena tsy maintsy ataon’ireo niofo ho olompirenena frantsay, izay voarakitra anatin’ny lalàmpanorenana frantsay, dia ny amin’ny tsy maintsy hanaovana ho laharam-pahamehana ny tombontsoan’i Lafrantsa mialohan’ny zavatra rehetra. Ny andininy faha 42 ao amin’ny lalàmpanorenana malagasy kosa no maneho fa manary ny zom-pirenena malagasy izay manaiky hiofo amin’ny nahim-pony hizaka zom-pirenena hafa kanefa efa feno taona, raha tsiahivina hatrany.
J. Mirija
Natolotra ny fampanoavan’ny PAC (Pôle Anti-Corruption ) omaly ny olona 3 voarohirohy
Nitombobe ireo olona tonga nanatona sy nila vonjy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha nandritra
An-taonany no efa nampijaly vahoaka ny rano miandrona eo Andravoahangy izay hita foana na fahavaratra na lohataona na ririnina.
Tsikaritra ho miha marikivy ny voankazo tokony hahitàna hamamiana amin’izao fotoana izao
Mifarana ny taona fa dia miatrika fahasahiranana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara,
Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra