airtel

Actualités

19-juil-2023

Actualités

Resaka fikajiana tontolo iainana Anatin’ireo firenena vatsian’ny ONU vola i Madagasikara

Sample post image

Tafiditra anatin’ireo firenena miisa 5 voalohany vatsian’ny firenena mikambana na ONU vola mikasika ny antsoina hoe “crédit carbone”,

19-juil-2023

izay mifandraika amin’ny resaka fikajiana tontolo iainana amin’izao fotoana izao i Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray farany. 1,12 miliara dolara eto no resaka, hoy ity loharanom-baovao ity, saingy mirotsaka mangingiana ary tsy hita izay tena vokany. Efa hatramin’ny taona 2015 no nisian’izany. 200 tapitrisa dolara no niatombohany ka ny 36,6 tapitrisa dolara tamin’izay no efa nirotsaka ka misanda 10 dolara ny taonin’izay akora voalaza teo na karbaonina izay. heverina ho tafakatra 40 dolara izany hatramin’ny taona 2025. Izay no manome ilay 1,12 miliara dolara. Maro ao anatin’izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany, ny resaka fifanadrahonana, fifanaratsiana, fifanalam-baraka, mety ho fifamonoana mihitsy ao ambadik’ity raharaha ity saingy misy kosa ny porofo efa miparitaka momba ny fisian’izay dosie mikasika izay vola harotsaky ny firenena mikambana amin’ireo firenena toa an’i Madagasikara izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap