airtel

Actualités

28-août-2024

Ririnina miitatra

Mandeha ny varotra zava-pisotro mampatanjaka

Sample post image

Tsy hita be eny ihany izy ity, hoy ny fomba fiteny, fa toa mbetika miha mafana,

28-août-2024

mbetika mamirifiry tampoka indray ilay toetr’andro nefa efa hiditra volana septambra isika izao. Ny tsikaritra aloha dia hita mandeha ny varotra zava-pisotro mampatanjaka na ilay ambara matetika fa heverina ho manome hery fiarovana anaty fiarahamonina any. Mbola hita ho mitarazoka rahateo koa tsinona ireo antsoin’ny dokotera hoe aretin’ny ririnina tahaka ny gripa sy sery na tazo mihitsy. Mampanahy ny mpanara-baovao rahateo koa ankehitriny ny mety ho sanatria fidiran’ity areti-mandoza miha mianaka aty Afrika ity dia ilay antsoina hoe «Monkey pox» na «Variole de singe». Nendran-drajako, hoy isika malagasy. Ireo zava-pisotro mifototra amin’ny resaka voasary toy ny voasarimakirana eo ihany fa saika hita ho miha maro koa ankehitriny ireo mpivarotra mandehandeha ireny ambaran’ny mpandalo hoe dite mampatanjaka na «Thé cola» ireny. Toy izany koa ny ranom-pary na «jus de canne à sucre». Ao koa ireo zava-pisotro mafana isan-karazany hifangaroan’ireo akora nalaza tamin’ireny fotoanan’ny COVID 19 ireny, tahaka ireo ahitana sakamalao, tongolo maitso, karaoty, voasarimakirana sy ny tariny rehetra amin’ity ririnina miitatra ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap