vao maraimbe any amin’ny distrikan’i Toliara I sy II ilay rivo-doza Jude raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Efa tafaverina ao amin’ny lakan-dranon’i Mozambika omaly maraina indray mantsy ity rivo-doza ity. Tany amin’ny 660 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny omaly. 75 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 Km isan’ora izay manakaiky ny foibeny. Mikisaka nianatsimo atsinanana izy ary nahafaka 22 Km isan’ora. Atahorana mafy araka izany ny amin’ny faritra Androy, Morondava ary Manja. Toraka izany koa ny Faritr'Anosy, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo ary Vangaindrano. Tsy tokony hiandriaka intsony noho izany ireo mpampiasa ranomasina ao Belasampy ka hatrany Taolagnaro. Toraka izany koa ny avy Taolagnaro ka hatrany Mahanoro hisorohana ny loza mety hitranga.
Pati
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny