amin’ny 330 Km Atsimo Andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny omaly hariva. Forte Tempête Tropicale hatrany ny sokajy misy azy. Niakatra ho 110 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 155 Km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana somary Atsimo Atsinanana izy ka nahafaka 13 Km isan’ora. Vinavinaina hitombo hery hatrany ity rivo-doza ity ato anatin’ny 24 ora manaraka ka mety hiakatra hatrany amin’ny sokajy rivo-doza mahery na Cyclone Tropical. Nanambana ny tapany Atsimon’ny Nosy i Honde nanomboka omaly alina na anio Zoma 28 Febroary maraina. Raha ny tombana dia hivoatra miadana any amin’ny manodidina ny latsaky ny 100 Km miala ny morontsiraka i Honde. Omaly Alakamisy 27 Febroary ohatra dia efa miakatra ny rano any Belo sur Tsiribihiana. Distrika maro no mitondra faisana noho ny habetsahan’ny ranon’ orana. Tafakatra 4.912 ireo traboina noho ny fiakaran'ny reniranon'i Tsiribihina. Mahatratra 1. 052 ireo fianakaviana ao anatin'ny kaominina miisa 07 voakasiky ny fiakaran'ny rano tsy maintsy nafindra toerana amin’ireo tokony hisy azy sy efa voahomana miisa 21.Tanimboly sy tanimbary 1.297 ha no dibo-drano. Toraka izany ny ao Morondava. Efa tafakatra eny amin’ny arabe ny ranomasina koa miantso ny rehetra mba samy ho mailo ny tompon’andraikitra hisorohana ny loza mety hitranga. Ao anatin’ny Kaominina Ambanivohitra Itampolo, misy fiakarany ny ranomasina, miditra tsikelikely aty an-tanety, mihamafy ny fitsokan’ny rivotra sy ny orana, misy ny trano rava ao amin’ny sisin-dranomasina (Ambezo ao) fa mbola tsy voaisa marina hatreto, hoy ny Solombavambahoakan’Ampanihy Marco Tsaradia nampita ny tatitra avy amin’ny solontenam-panjakana any an-toerana,…
Nangonin’i Pati
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i