distrikan’Ampanihy. Vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Jude no voalaza fa antony nahatonga izany. Tafiditra ao anatin’izany ny sekoly, ny birao fiasana, ny lalana, ny tetezana.… Mihitsoka tanteraka vokatr’izany ny asa fampandrosoana ao anatin’ity distrika iray ity. Marobe ihany koa ireo ankizy mpianatra mbola tsy afaka manohy ara-dalana ny fianarany raha tsy lazaina ireo fianakaviana miaina amin’ny trano tsy zarizary. Efa tonga tany an-toerana nijery ny zava-misy moa ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC. Notsidihin’izy ireo ihany koa ny tany amin’ny distrikan’Ambovombe Androy izay fantatra fa mbola misy olona 548 isa tsy manan-kialofana. Betsaka ihany koa ireo tsy salama vokatry ny fiparitahan’ny otrik’aretina indrindra fa ireo zaza amam-behivavy. Efa notolorana vary 1 taonina sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro maro moa izy ireo hahafahany miatrika ny fiainany aloha.
Pati
Legende : Mikorontana tanteraka ny tananan’Ampanihy !
Nampanantena ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa handray fepetra
Tsy hay faritana mihitsy hatreto ny hoavin’ny firenena malagasy, raha ny
Mahazo vahana ny fitrandrahana volamena any amin’ny Fokontany Ankaranana sy Amboangivy,
Sakana tsy hahafahan’ny olona iray mandroso eo amin’ny fiainana ny
Niroso tamin’ny Fivoriambe notarihin’ny Birao vaovao voafidy ny 14-15 novambra 2024