airtel

Actualités

04-oct-2024

RTOA ASSANATI FAMO GIDRAKA

Aza manaiky zarazarain’ny politika isika

Sample post image

Tsy mitondra fampandrosoana ny tanindrazana iombonana ny fifandirana sy ny disadisa ateraky

04-oct-2024

ny politika sy ny fifidianana hoy Rtoa Assanati Famo Gidraka raha naneho ny heviny mikasika ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny izy. Samy Malagasy isika ary manana soa toavina lehibe mampiavaka antsika manerana ireo Firenena rehetra eto ambonin’ ny tany dia ny « Fihavanana ». “ Hamafiso ny fihavanana Malagasy mba tsy hisian’ ny fizarazarana” hoy izy. Notsiahiviny moa fa mitady hirona mankany fifandiranana sy fifandonana indray ny Firenena amin’izao ankatoky ny fifidianana Ben’ny tanana izao. Aoka tsy ny resa-politika no hiteraka korontana sy ny fifankahalana eo amin’ ny samy Malagasy. Ho an’ny tanànan’ i Mahajanga manokana dia manao antso avo amin’ireo vahoaka any an-toerana Rtoa Assanati Famo Gidraka mba hanandratra avo ny fihavanana. Natao hikatsahana fampandrosoana ny hevitra tsy mitovy hoy izy fa tsy natao hiadiavana.
Pati
Legende : Rtoa Assanati Famo Gidraka mitandro hatrany ny fihavanana Malagasy !

 

Dans la même rubrique

04-oct-2024

Tahaka ireo toerana sy fokontany maro teto Antananarivo sy ny Renivohitra,

Card image cap
04-oct-2024

Sady manimba no tsy afaka hanamboarana ny simba koa, etsy ankilan’izay,

Card image cap
04-oct-2024

Ny JIRAMA sy ny fifandraisan-davitra efa manao ny ataony amin’izao fotoana izao

Card image cap
04-oct-2024

Mahatratra 500 isa isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay tonga eto amintsika

Card image cap
04-oct-2024

Mihanatanora hatrany ireo vehivavy tratry ny homamiadan’ny nono eto amintsika,

Card image cap
04-oct-2024

Ny fisainana sosialista dia tsaky popy, vatsy tsinjo, kaly tsinjo sy ny toy izany,

Card image cap