airtel

Actualités

24-mars-2025

SAHIRANA DIA MANAMBOATRA VINTANA

Mitaky sorona ny fanaovana izany, hoy Pastera Heritiana

Sample post image

Mitombo ireo karazan’olona manatona sy mandeha eny amin’ ireo mpanamboatra

24-mars-2025

vintana ireny amin’izao noho ny fahasahiranana. Toraka izany koa ireo karazana mpitsabo mipoipoitra na tera-tany vahiny na Malagasy izay samy milaza azy ho mahay zavatra avokoa ary afaka mampanan-karena na mampiova fiainana avy hatrany. Mitaky sorona hatrany anefa ny fanaovana izany raha araka ny fanazavan’ny Pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Mety hety izy eny am-piandohana toy ny hoe : mahavita trano, mandeha tsara ny varotra saingy mety ho tratry ny AVC tampoka ilay olona avy eo. Io ilay sorona raha araka ny fanazavany. Mety hahazo volabe ihany koa saingy may ny trano… Hafa kosa anefa ny ao amin’Andriamanitra. Rehefa mahatsiaro tena ho ratsy vintana ny olona iray na tsy mety avokoa izay rehetra hataony dia hametrahan-tanana sy hanaovana asa fanafahana izy dia milamina ny fiainany. Tsy mila sorona Andriamanitra hoy Pastera fa mety ho azon’iny olona iny hatramin’izay zavatra tsy nangatahiny akory aza rehefa mino izy.
Pati
Legende : Mamporisika ny olona hivavaka hatrany Pastera Heritiana Randriarimalala !
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap