airtel

Actualités

29-juil-2024

SAHIRANA NY MALAGASY

Rakotry ny mpivarotra ny sisin-dalana rehetra

Sample post image

Lasa feno mpivarotra ireo sisin-dalana eto amintsika.

29-juil-2024

Ankoatra ny eto an-drenivohitra izay lasa efa mahazatra dia mihitatra hatrany any amin’ny sisiny izany toy ny hita eny Andranonahoatra Itaosy, Fenoarivo….samy ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Feno mpivarotra anana, mofo sy ronono soja, taxi-phone ny sisin-dalana hany ka tsy misy handehanan’ny mpandeha an-tongotra intsony. Voatery milatsaka any anaty arabe ireto farany noho izany ka ahiana ho voadonan’ny fiara. Ho an’Andranonahoatra Itaosy manokana dia efa namoahan’ny kaominina filazana izy ireo fa tsy azo hivarotana ny sisin-dalana rehetra fa mahavoasazy. Na izany aza anefa dia iray monja no nijanona ireo mpivarotra dia niverina daholo indray. Amin’ny ankapobeny dia ireo Renim-pianakaviana sy Raim-pianakaviana tsy an’asa nefa mamelon-janaka ny ankamaroan’izy ireny. Toraka izany koa ireo Reny mananontena. Hetahetan’izy ireny noho izany ny tokony hanampian’ny Fitondram-panjakana azy. Izay mba orinasa niasan’izy ireo mantsy raha tsy nikatona dia manena ny isan’ny olona miasa ao aminy noho ny hafitsoky ny Fitondrana ankehitriny amin’ny tery vay manta momba ny hetra. Rehefa tsy afaka mivarotra anefa izy ireny dia mety hangalatra…, antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Tsiahivina hatrany moa fa mariky ny fahantran’ny firenena iray ny hamaroan’ireo mpivarotra ao aminy toy izao efa hiainantsika eto Madagasikara izao.
Pati
Legende : Feno akoho hamidy tahaka izao ny lalan’ny mpandeha an-tongotra !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap