airtel

Actualités

09-août-2023

Actualités

SAKARAHA Olona moana nisy nanolana

Sample post image

Rehefa moana tokoa dia tsy afaka miteny. Anisan’ny antony hanararaotan’ireo tsy mataho-tody ireny olona tsy afaka

09-août-2023

miteny ara-dalana ireny izany toy ny nitranga tany amin’ny distrikan’i Sakaraha. Tovovavy moana iray no fantatra fa nisy nanolana tany an-toerana tamin’ny volana Jona teo. Ankoatra izay dia ankizivavy kely iray avy any an-toerana ihany koa bevohoka noho ny fanolanana nihatra taminy. Ny mampalahelo anefa dia samy mbola tsy voasazy avokoa ireo nahavanon-doza. Etsy an-daniny anefa dia mbola mandrahona ny fianakaviana akaikin’ireo ankizy ireo hatrany ireo olon-dratsy hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.Vao tamin’ny 23 jona teo ihany koa no nisy zazavavy kely iray 8 taona naolana Rangahy 70 taona tao amin’ny kaominina Mitsinjo, Toliara. Simba tanteraka io zaza io saingy mbola afa-maina ihany koa ilay Rangahy. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky izao tranga mampalahelo mahazo ny ankizivavy kely any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy izao. Manan-jo feno ho arovana mantsy izy ireny.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap