airtel

Actualités

28-août-2024

Seranan’Ivato nametrahana Bianco

Tena hahavita hazalambo ny kolikoly sy trafika ?

Sample post image

Napetraka omaly teny Seranam-piaramanidina Ivato ny rantsa-mangaikan’ny Bianco

28-août-2024

izay nambara fa hahafahan’ny rehetra mametraka fitarainana na fampandrenesana, ary am-perin’asa avy hatrany. Eo ambany fiahiana mivantan’ny Departemantan'ny Fanadihadiana na « investigation » ao amin'ny Foibem-pitantanana ny Bianco io, ka handinika ny fitarainana maro momba ny fanararaotana sy ny kolikoly, hanao fanadihadiana sy hetsika fisorohana ankoatra ny fanentanana. « Fepetra fisorohana hapetraka manoloana ny fomba fiasa sy ny rafitra. Tena goavana amin’ny ady amin’ny kolikoly ny fanovana ny toe-tsaina ao anatin’ny fanabezana. Tena mafy ny fakam-panahy, mety misy tombotsoa manokana, teren’ny zava-misy,… ka izay no hametrahana fepetra fisorohana. », hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco Atoa Nestor Gaby Razakamanantsoa. Nanome toky moa ity Tale Jeneraly vaovao ity fa hahomby, mahavita asa tsara ary mendrika ny fitokisana ny Bianco amin’ny asany dia ady amin'ny kolikoly ary ho toy ny fitaovana hanovana sy hahitam-bolany amin’ny fihenan'ny kolikoly. Hampihatra tanteraka ny ady amin'ny fomba fanao ratsy, indrindra fa ny asa tsy ara-dalàna sy ny trafika tsy ara-dalàna io rafitra vaovao io, raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) Atoa Gervais Damasy. Ankoatra ireo mpiasan’ny Bianco eny Ivato handray ny fitorohana sy hanao fanadihadiana, dia napetraka ihany koa ny fahafaha-mametraka fitoriana an’habaka “i-toroka” eny an-toerana izay ahafahana tsy mitonona anarana sy voaaro, ary azo ampiasana ny tekonolojia toy ny kaody QR. Ny trondro madinika ihany no ho azon’ny mason’ny harato eto sa mba ho voafongotra ny trondro vaventy ? Anisan’ny resaka nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina fony nandray ny fahefana ny fiandohan’ny 2019 ny hoe : tsy handefitra amin’ny kolikoly na « tolérance zéro » saingy niaraha-naheno ny écran plat, bonbon sucette, vilany iray1000 000Ar ny iray, aferan-tany, Gemfields,… ka sao ny resaka hatrany no betsaka ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap