airtel

Actualités

01-juil-2024

Sivily nisandoka ho lietnà

«24.000.000 Ariary no totalin'ny vola azony»

Sample post image

Tamin'ny aprily 2023 dia nisoloky olona ny tovolahy iray. Nipetraka tamina ramatoa iray tao Androkaroka,

01-juil-2024

fokontany ao ihany, kaominina andrenivohitra sy distrika Mananara/Avaratra izy, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nifandray tsara tamin'olona manodidina azy. Tamin'izany izy dia nilaza fa "Lieutenant Pénitencier" na lietnà mpiandry fonja ary manana Jeneraly miaraka miasa aminy any Antananarivo. Mba ho porofon'izay nolazainy dia naderaderany ny sariny manao fanamiana tafika milanja mariboninahitra. «Pénitencier lieutenant» manao akanjo tafika milanja mariboninahitra «Adjudant chef». Milaza izy fa maha tafiditra zaza izay te hanao zandary sy «pénitencier» na mpiandry fonja. 24.000.000 Ariary no totalin'ny vola azony. Nahazo vola izy dia lasa nandeha lavitra an’i Mananara. Voasambotry ny borigadin’i Mananara izy ny 29 jona 2024 tamin'ny 11 ora tolakandro. Tovolahy teraka ny taona 1997, monina ao Antanankoro, fokontany ao ihany, kaominina andrenivohitra sy distrikan’i Mananara/Avaratra. Mitovy finoana izy sy ny miaramila tafika avy any amin'ny faritany tsy tononina izay. Mpinamana tena akaiky. Nanaovany ny fanamian'ity namana tafika ity no sady nitifirany sary. Azony ny sary miaraka amin'ny fanamiana dia nampiasainy amin'ny fisolokiana. Miantso anareo izahay Zandarimaria. Tandremo fa amin'izao fotoana akaiky «concours» na fifaninanana izao na polisy io na zandary na mpiandry fonja dia betsaka ireo olona misoloky sy mitady vola etsy sy eroa. Fantaro fa na iza na iza, na grady farany ambony, na milaza ho olona ambony, na mahay miresaka toy inona dia tsy misy manana fahefana hampiditra anao amin'ny asam-panjakana misy fifaninanana. Fisolokiana ny fitadiavana vola amin'izany ary mahavoasazy koa ny manome vola hanaovana izany. Aorian'ny famotorana azy dia ho atolotra ny fitsarana izy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap