ankehitriny, indrindra fa ny mikasika ny Jirama, izay nahery vaika ny fahatapahana tao anatin’ny iray volana teo. Nolazaina fa fahataran’ny solika mavesatra izay hafarantsika avy any ivelany, niova ho tsy fahampian’ny kamio, faharatsian-dàlana,... Mbola vidiana any ivelany ny solika mavesatra fa tsy mbola azo sitrahana i Tsimiroro. Raha tsiahivina, ny volana jona 2014 no nanaovana fanandramana tamin’ny Jirama ka voalaza fa nety sy nahomby ny solika. Nisy ny fidinana tany an-toerana nataon’ny Filoham-pirenena tamin’izany Atoa Hery Rajaonarimampianina, ka nisy voaloham-bokatra iray citerne aza nomena ny Jirama tamin’izany. 8 taona aty aoriana anefa, mbola io iaraha-mahita io, fa dia hoe : manafatra. Taty aoriana lazaina indray fa manimba milina. Nahoana anefa no misy ireo orinasa eto Madagasikara manjifa sy misitraka io solika mavesatra io ? Hatao izay tsy hisitrahan’ny Malagasy azy satria manohintohina ny tombotsoan’ny hafa ? Taty amin’ny 2021-2022, dia nisy resaka fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny Madagascar Oil. Nolazaina fa tsy mahavokatra ny ilain’ny Jirama ny Madagascar Oil. 400 barila na 2000m3 isam-bolana no voalaza famokarany tamin’ny kanefa mila 118 tapitrisa litatra na 721.000 barila isaky ny 6 volana ny Jirama. Raha ny nambaran’ny Jirama tamin’izany, dia 300m3 isan’andro ny fandaniana solika ho an’ny famokarana eto Antananarivo fotsiny, ary 75m3 ireo ivelan’Antananarivo. Nambara tamin’izany, fa ny 3% amin’ny filàn’ny Jirama ihany no vitan’i Tsimiroro. Ny fiandohan’ny volana mey 2024 no nivoaka ny serasera fa hiroso amin'ny lalindalina kokoa ka hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny famokarana solika mavesatra na fuel lourd » any Tsimiroro ny Madagascar Oil. Nivoaka tao anatin’izany fa hiakatra 8000 barila na 1 280 000 litatra isam-bolana (1barila = 160litatra) ny famokarana. Neken’ny fitsarana any Bermudes izay misy ny foiben-toeran'ny mpiray anto-bola aminy mantsy ny tolotra fanarenan-drafitra ara-bola nentiny, ary naneho fahavononana hanohana ara-bola hatramin’ny 250 tapitrisa dolara ihany koa ny banky anglisy sy amerikana maro hoentina hitrandrahana ny solitany amin’izany dingana voalohany izany. 1,7 miliara barila na mety hihoatra an’io aza ny ny tahirin-tsolika mavesatra ao Tsimiroro, raha ny fanadihadiana ara-tsiantifika. Misy ny tahiry fa ny fitrandrahana no mila hamafisina. Miakatra avo 20 heny izany raha 400 barila ho lasa 8000 barila ka tena tsy mbola ho azon’ny jirama hidirana ihany ve mba hisy fiantraikany amin’ny mason-karenan’ny Jirama?
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA