airtel

Actualités

16-août-2024

Sorona i Ron Weiss Tale Jeneralin’ny Jirama

Ataon’ny mpitondra tsy mahomby tsakin’ady…

Sample post image

Nanamafy ny olana samihafa ny Tale Jeneraly Ron Weiss, ka tafiditra tao anatin’io

16-août-2024

ny filazana fa zara raha mamokatra 40MW sisa ny ao Andekaleka raha tokony ho 120MW, ary zara raha 6MW ihany koa ny any Mahitsy izay tokony hamokatra 20%MW. Ny fihenan’ny tosiky ny rano no nambara fa anton’ireny, izay nambara fa nilatsaka 1 metatra amin’ny herinandro lasa, ary niakatra 2,2metatra andro vitsy izay. Vokany, mitombo ny delestazy, izay nofaritana ho eo anelanelan’ny amin’ny 1ora tolakandro hatramin’ny 5ora hariva, ary amin’ny 11ora alina hatramin’ny 4ora maraina. Tsy tena voahaja aza anefa io raha ny fahatapahana lavareny sy misesy iainana isan’andro ato anatin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo na ny RIA. Vokatry ny fihenan'ny tosiky ny rano noho ny haitany, hisy ny fandefasana orana artifisialy manomboka ny 19 aogositra araka ny nambaran'ny Tale Jeneraly. Asa misy hidiran’Andekaleka ve izany ny fahatapahana goavana toy ny any Mahajanga sy ny toerana hafa, izay misy mahatratra 2 na 3 andro aza. Midika sy miharihary, fa mihamafy ny krizy ara-bola, ka tsy hahafahana manodina ireo toby mpihary herinaratra mandeha amin’ny solika, izay tsy olan’ny Jirama irery fa efa olana nasionaly, saingy atontona any amin’ny Jirama irery, fa sarontsaronana ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Tapitra ny 3 volana nomena an’i Ron Weiss hamolavolana ny drafitra hanarenana ny orinasa, ka hoentina amin’ny Filoha amin’ny herinandro ny ambara vahaolana maharitra, hamahana ny olana an-taonany maro. Nambara fa mandeha ny fifampiresahana amin’ny hananganana foibem-pamokarana mandeha amin’ny masoandro maro sy iray mandeha amin’ny riandrano, saingy nolazaina fa mila fotoana maharitra ny vahaolana. Tsy vao sambany no nisiana fampanantenana, fa ny sary mitranga ankehitriny aloha dia mifangarika tanteraka ireo fampanantenana zavon-tany toy ny 400MW nampanantenain-dRajoelina tamin’ny 2019 sy ny zavatra iainan’ny vahoaka.
MIOVA FIRESAKA NY OLON’NY FITONDRANA
Vokany, ireo olon’ny fitondrana na tao anatiny aza efa betsaka no miova firesaka sy manadio tena tsy hiara-haloto sy ho simba noho ity olan’ny angovo sy rano izay lasa fampijaliana vahoaka ity. Taorian’ny depiote Naivo Raholdina izay nilaza fa isan’ny nampihena ny vaton’izy ireo tamin’ny fifidianana ny delestazy, dia nilaza ihany koa ny Minisitra teo aloha Lalatiana Rakotondrazafy hoe : «…Ho fanajana ny mpanjifa kosa dia ilaina ny filazana mazava hoe izao no olana, izao no vahaolana heverina ampiharina ary afaka firy volana na firy taona vao hivaha tanteraka ny olana. Aza avela ho lasa tompon-trano mihono ny malagasy fa izany no tena miteraka fahasorenana. Dia tsy tokony ny mpanjifa irery no asaina mizaka ny olana ka mbola hosaziana amin’ilay hoe « pénalité 5%» raha misy fahatarana ny fandoavana ny faktiora, fa samy miaraka mifehy fehikibo… ». Ary ny andraikitry ny Fitondram-panjakana ao anatin’ilay raharaha angaha hodiana tsy hita ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap