airtel

Actualités

16-août-2024

Tafapetraka ny Tale Jeneralin’ny Bianco

Sarotra ho azy ny hanenjika ireo trondro vaventy…

Sample post image

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny lanonam-pitsarana tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy

16-août-2024

ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Bianco Atoa Gaby Nestor Razakamanantsoa. « Misy fanamby goavana napetraka, ny Bianco tsy tokony hatao birao hampitahorana na hisamborana olona amin’ny tsy rariny, fa tokony ary tsy maintsy hapetraka ho Birao hiady amin’ny kolikoly, ka tsy maintsy misy vokatra haingana sy maharitra », hoy i Andry Rajoelina. Zavatra 4 no nambarany fa isan’ny tena napetraka : ady amin’ny fangalaran-tany handravana ireo tambajotra eo anatrehan’ny tsy rariny hahaverezana fananan’olona maro, ka hametrahana sampana manokana ; fijerena akaiky ny fitantanana tsy ara-drariny ny volam-panjakana satria 1300 ny « transfert » na famindram-bola atao amin’ireo sampan-draharaham-panjakana manerana ny Nosy kanefa ny ampahany betsaka tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fampiasana azy ; ny kolikoly eny amin’ny fadintseranana satria maro loatra ny kolikoly mampihena ny vola miditra eto amin’ny Firenena ka nitakian-dRajoelina famaizana ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasika; ny resaka fitantanan-draharaham-panjakana miainga any amin’ny Minisitera hatrany amin’ny fokontany. « Fanamby dia ny ahitana vokatra hahatonga ny vahoaka ho afa-po. Tsy hatao biby fampitahorana ka mivovo fa tsy manaikitra ny Bianco fa tena hatao izay ahitana vokatra. Ny mahakasika ny tsindry, dia mety hisy sy iainana amin’ny asa, saingy raha miresaka fahaleovantena dia misy zavatra telo : ara-drafitra, fisahanana ny asa, fa indrindra ny fahaleovantenanao manokana. Ianao no erany raha misy ny tsindry, ka arovan’ny lalàna ny tenako, ary tena hijoro », hoy kosa ny Tale Jeneralin’ny Bianco Aroa Gaby Nestor Razakamanantsoa. Ho afaka hiasa malalaka sy tsy misy tsindry manoloana ny mpanendry sy ireo manodidina azy ve tokoa ve ny Tale Jeneralin’ny Bianco ? Isan’ny nanaovan’ny Firaisamonim-pirenena toy ny Transparency International antso sy fanamarihana ohatra ohatra ny raharaha Romy Andrianarisoa izay Tale Kabinetran’ny Filoham-pirenena teo aloha voaheloka tamin’ny kolikoly goavana ka voasambotra tany ivelany. Ny masoivoho Britanika mihitsy no manamafy fa olona voaheloka. Nisy ary hisy ve ny fandraisan’andraikitry ny Fanjakana Malagasy, ny Fitsarana, ny Bianco ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap