airtel

Actualités

18-juil-2024

Tahina Razafinjoelina

«Fantaro aloha ny firenentsika!»

Sample post image

Mila manao politika isika rehetra izao, hoy ny filohan’ny vondrona politika

18-juil-2024

Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT, Tahina Razafinjoelina. Fanerena ny fitondram-panjakana handray ny andraikiny izany, hoy izy. Saintsaino fotsiny hoe ny firaisamben’ny fiangonana mba hiteny ny fitondrana hoe miisa 5 izay ny fampanantenana nataonareo. Aiza ilay izy fa mba menatra izahay raiamandrenim-piangonana mijoro miaraka aminareo! Izany izao dia efa fandraisana andraikitra iray ataon’ny fiangonana. Maro be izao no tsy nifidy ary rehefa mifidy indraindray dia mifidy diso satria ilay olona no safidiany. Tsy misy olona mijery vina izany intsony izao. Maika loatra dia tarehy no hitany. Ny vadin’ilay kandida no hitany dia mahafinaritra azy dia hoe hifidy an’ity aho. Azafady! Inona no vina azo tsapain-tanana sy tanterahina? Aza mandainga! Raha miresaka isika izao hoe olombelona no harena, ny olombelona tsy lainga. Io izy io. Raha hiteny isika hoe andao ofanina ny malagasy mandritry ny 1 taona! Ofanina amin’ireo asa lehibe misy eto ireo. Andao ofanina momba ny jono! Ao Maorisy izao mampalahelo be. Avy aty daholo ny hazan-drano ao. Ao La Reunion, ohatrinona no vidiny? Lafo! Ny mpizahantany izany ao daholo no mitontona fa eto amintsika lasa olana daholo izany. Tsy misy vita rahampitso ny fampandrosoana fa tsy maintsy atomboka androany. Jereo daholo ny firenena rehetra nandroso! Fantatrareo tsara ny «Guerre de Corée» na ady tao Korea. Niady ny Korea atsimo sy Korea avaratra. Efa ho 20, 25 taona aty aoriana fa io hitantsika matanjaka be io ihany ny Korea atsimo. Fantantsika tsara ny tantaran’i Rwanda. Ny taona 1994 no nisy ireny fifamonoana mahatsiravina ireny. Aty amin’ny 2015 efa hafa mihitsy. Niharina tsikelikely. Tsy hoe rahampitso dia ho foana ny delestazy ho an’ny malagasy fa mila foanana tsikelikely. Miha mamokatra dia avy eo manomboka manondrana amin’ireo nosy manodidina sy firenena manodidina rehetra. Izay vao mety hoe ho tafiditra amina orinasa iraisampirenena any am-pita any ny malagasy. Alefa tsikelikely ny zavatra rehetra. Ny akora voalohany ampiasaina amin’ny bateria misy eto Madagasikara dia ny «Lépidolite». Tsy nampianarina an’izany isika. Tsy nampianarina hiasa amin’izany. Izany hoe tsy voatery amin’ilay heritrerintsika hoe hiasa tany amin’ny angady sy ny tariny. Tsy maintsy mandeha ireny fa fantaro aloha ny firenentsika! Rehefa mahafantatra ny firenentsika isika no antsoina hoe mahay. Ajanony amin’izay ilay fahaizana ny firenena vahiny! Tsy tsara io sarimihetsika malagasy io raha tsy mijery isika. Jereo tsara ny tantaran’ny japoney taorian’ny ady lehibe faharoa! Fiarakodia miisa 2 ihany no fiarakodia vahiny tao Japon tamin’ny taona 1985. Fiara japoney avokoa no ankoatran’izay. Tsy mbola vitany tsara ny azy tamin’izany fa ianao aloha no manjifa azy izay vao miha tsara. Tianareo ve ny zanakareo satria mahay sa mahay vao tiavina? Tsy maintsy tiavinao izy aloha dia iny fitiavanao azy iny no mahatonga azy hanao ilay ezaka handroso. Tsy ho afaka Bakalorea mandrakizay ny zanakao raha lazainao hoe rehefa afaka vao miresaka amin’i dada satria ny fampandrosoana dia mila herijika na ara-moraly ihany aza, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap