teny anivon’ny boriborintany teto an-dRenivohitra, notaire, injeniera mpandrefy tany, agence immobilière, ary mpanelanelana samihafa. Tany stratejika no tena lasibatr’izy ireo amin’ny alalan’ny famoronana sy fanomezana anarana sandoka ny taratasy fifampivarotana lazaina fa natao tany amin’ny 30 taona lasa. Rehefa vita ny fanamboarana hosoka dia ampidirina amin’ny rejisitra any amin’ny kaominina iray akaikin’ny renivohitra ireo antontan-taratasy ireo. Aorian’izay dia afindra amin’ny anaran’ny olona sandoka amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-bola hatrany amin’ny 10 tapitrisa Ariary. Avy eo, fanofana amin’ny endrika « bail emphytéotique » mitentina mihoatra ny 2 miliara ariary no ataon’ny masoivoho ara-barotra amin’ny tany miaraka amin’ny mpampiasa vola vahiny. Farany, dia atao sonia amin’ny « notaire » ilay fifanarahana mba hanome endrika ara-dalàna azy. Olona 12 no voarohirohy, natolotra ny fampanoavana tao amin’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) tamin’ny 27 febroary 2025 noho ny fanararaotam-pahefana, fanaovana hosoka sy fampiasana taratasy hosoka, ary koa noho ny kolikoly natao sy noraisina. Olona 2 nidoboka am-ponja vonjimaika dia ilay nampiasa anarana sandoka sy ilay mpivarotra tany. Nahazo fahafahana vonjimaika miandry ny fitsarana azy ireo hafa. Nogiazana tamin’ny 20 janoary 2025 ilay trano resahina sy fanesorana fananana nataon’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) telo andro taty aoriana.
Toky R
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i