Miverina mihetsika ny vahoaka ao Imeritsiatosika eo anatrehan’ny fakan’ny Fanjakana an-keriny ny tanin’izy ireo. Raha efa nangingina herintaona lasa, miverina indray ny famariparitana ny tanim-bahoaka hananganana tanamasoandro. Herintaona talohan’izao, hoy ireo vahoaka tamin’ny alalan’Atoa Odon Randriampanarivo, filoha lefitry ny fikambanana MAMITA (Malagasy Miaro ny Taniny), no efa nahilikay ny fanatsatohana « piquet » izay tany amin’ny tanànanay, ka niala ny « engins » sy ireo tompon’andraikitra rehetra. Herinandro teo anefa, tampotampoka teo dia tonga indray ny fanatsatohana « piquet » any an-tananan’olona, any ambody trano rehetra sy ny tanimbary. Vokany, tonga nitaraina sy nanatona ny solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo sy ny ben’ny tanàna ao Imeritsiatosika ireo vahoaka manoloana ny ambaran’izy ireo fa amboletra sy fanitsakitsahana ny zo maha olona. Mahatratra hatrany amin’ny 640Ha ny tanin’olon-tsotra voakasika raha ny kisary rehetra mikasika ny tetikasa, raha toa ka 980Ha ny tetikasa. Ny 340Ha amin’io no an’ny Fanjakana madiodio izay nanaovana famindrana tamin’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fanajariana, izay tsy mametraka olana ny amin’izany ireo vahoaka. « Ny fakana ny taninay 640ha sy ny fanitarana tsy lera sy ny fihitaran’ny fametrahana « piquet » ao an-tànana no tsy ekenay », hoy ireo vahoaka. Tsy nisy resaka fanonerana nataon’ny Fanjakana raha ny filazan’izy ireo fa toton’ondry bory sy amboletra, tsy mba nisy na mari-panjakana aza. « Hiditra 3 taona izao, saingy tsy misy fifampiresahana nataon’ny Fanjakana, kamboty velon-dray raha ny Fanjakana Foibe, fa resaky ny moana sy ny marenina. Izay no nanantonan’izy ireo olom-boafidy izay isaoranay azy ireo », hoy ireo vahoaka ao Imeritsiatosika. Mitaintaina noho izany ireo vahoaka amin’izay hitranga. Manampy trotraka izany ny resaka akony amin’ny famokarana. Manampy trotraka izany, efa noresahana sy nampahafantarina amin’ny herisetra ihany koa ny vahoaka amin’ny tsy fahafahana mampiasa ny làlana raha vita ny Tanamasoandro. Nilaza anefa ireo vahoaka fa isan’ny faritra mamatsy vokatra an’Antananarivo 30 hatrany amin’ny 50% i Imeritsiatosika. Ny tanimbary anefa efa manomboka tototry atsanga noho ny fikitikitihan’ny Fanjakana.
TSY MANAKANA TETIKASA FA MANOHITRA NY FAKANA TANIM-BAHOAKA
Nahitsy noho izany ireo vahoaka nangataka ny handravana ny didim-panjakana maka ny taniny, ka hilazana fa tsy azo hafindra, tsy azo hamidy, tsy azo hajariana, tsy hanorenana, ny tany rehetra manodidina an’i Tsimahabehomby I. Ravao io didy fakana ny tany io, avelao ny taninay, avelao izahay hanajary ny anay dia milamina, ary izahay tsy manakana ny tetikasa fa ny fikitihana ny taninay no tsy ekenay, ka samia manao ny azy sy tsy mifampikitikitika, hoy ireo vahoaka. Voafaritry ny lalàna ny resaka fahafahana maka ny tany ho an’ny tombotsoam-bahoaka fa moa tena tombotsoam-bahoaka ve ? Inona no naha taitaitra ny Fanjakana tao sa nahita vahiny hamatsy vola ny tetikasa amin’ny fifanarahana tsy mangaraharaha ? Efa olana be ny saika hanaovana ny tetikasa teny Ambohitrimanjaka noho ny tsy faneken’ny vahoaka ny hakana ny taniny dia io fa miverina ny sary satria tsy voalanjalanja sy mandeha amin’ny kopisoroka. Hitondrana Emmo-reg hodarohana lakrimozenina sy hogadraina indray ny vahoaka?
Toky R
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i