airtel

Actualités

12-sept-2024

Tanimbarin'i Mahajanga

Vanim-potoanan'ny rivodoza vao mba mahazo orana

Sample post image

Vanim-potoanan'ny rivodoza vao mba mahazo orana ny tanimbarin'i Mahajanga,

12-sept-2024

hoy ny mponina ao an-toerana. Vanim-potoanan'ny fialantsasatra toy izao moa dia tena maina, hoy ny fanazavana. Misy faritra sasany aza tsy fantatra intsony hoe aiza ny tanimbary? Ny ondry no mitangorona misakafo eo, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy ankilany dia marefo sy mila fitandremana fatratra ny tontolo iainana ao amin'ity renivohitr'i Boeny ity, hoy ny fanazavan'ny manam-pahaizana momba izany nandritry ny andron'ny tontolo iainana farany teo. Voalaza tao anatin'izany moa fa raha mitohy ny fanimbana tontolo iainana ao an-toerana dia ahiana ho safotry ny rano mihitsy ny torapasika manontolo amin'ny taona 2100. Mitohy hatrany, noho izany, ny fanentanana ireo olompirenena hanampy tosika izay fiarovana tontolo iainana ao an-toerana izay.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

18-sept-2024

Tanterahina eto Madagasikara eny amin’ny CCI Ivato ny 19 septambra izao ny fivoriam-ben'ny mpampiasa vola

Card image cap
18-sept-2024

Miezaka mitady hevitra hivoahan’i Madagasikara amin’ny olana ara-tsosialy sy ekonomika misy

Card image cap
18-sept-2024

Ariana any Miarinarivo, Faritra Itasy ireo fotaka 1.000 m3 alana ao anatin’ireo lakan-drano

Card image cap
18-sept-2024

Nikatona nanomboka ny fiandohan’ny volana Septambra lasa teo ny fotoam-panjonoana trondro any amin’ny Faritra Itasy.

Card image cap
18-sept-2024

Saika nitafy henatra ny fianakaviana roa tonta tamina raharaham-panambadiana niseho ny alakamisy lasa teo,

Card image cap