amin'ny makamba hatramin'ny 17 Jona ho an'ny taom-panjonoana 2024, araka ny tatitry ny Fanjakana. Sambo 39 no nahazo fahazoan-dàlana ho an'ny taom-panjonoana 2024. Ny lisitra navoakan’ny ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) tamin’ny 17 Jona dia manambara fa sambo 38 sy sambo mpanohana iray, samy mitondra ny sainam-pirenena malagasy avokoa. Misy sambo iray hafa ao amin'io lisitra io, saingy io sambo io dia tsy nahazo fahazoan-dàlana araka ny fanamarihana nataon'ny ministera tamin'ny fotoana nivoahany. Ny sarany alaina isaky ny sambo dia manomboka amin'ny 18 tapitrisa ariary ka hatramin'ny 238 tapitrisa ariary, ka nitentina 6,055 miliara ariary. Ny sarany alaina amin'ny fanondranana isaky ny orinasa kosa dia manomboka amin'ny 324 000 ariary ka hatramin'ny 606,068 tapitrisa ariary, ka mitentina 1,400 miliara ariary. Nitentina 7,455 miliara ariary ny vola azo tamin’ny jono makamba, izay nanomboka ny 1 Martsa ny taom-panjonoana ho an'ny taom-panjonoana 2024. Ny fandraràna ny fanjonoana amin'ny alina ho an'ny fanjonoana indostrialy amin'ny faritra andrefan'i Madagasikara kosa dia nofoanana tamin'ny 14 Aprily. Voalaza fa tsara kokoa ny vokatra ho an'ny mpanondrana makamba tamin'ny taon-dasa, raha ny antontan'isan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) izay milaza fiakarana 27,2% ny habetsahan'ny fanondranana raha oharina amin'ny tamin'ny taona teo aloha, araka ny vaovao navoakan’ny fampahalalam-baovao an’habaka iray omaly. 3 587,1 taonina ny makamba naondrana tamin'ny 2023, raha 2 820,2 taonina tamin'ny 2022, raha ny tatitry ny Banky Foibe. Ho an'ny vidiny 34 772 ariary isaky ny kilao, ny sandan'ny FOB na vidiny hivoahan’ny amin’ny firenena an'ireo 3 587,1 taonina makamba naondrana tamin'ny taon-dasa dia mitentina 124,731 miliara ariary, hoy ny BFM. Ny ankamaroan'ireo vokatra ireo dia nalefa indrindra nandritra ny telovolana faharoa tamin'ny 2023 (1 450,8 taonina) izay nivarotana ireo makamba ireo tamin'ny 33 736,5 ariary isaky ny kilao, ary ny telovolana fahatelo (1 163,3 taonina), tamin'izay fotoana izay ny vidiny isaky ny kilao dia 34 619,7 ariary, raha io tatitra momba ny jono makamba navoakan’ny BFM io hatrany. Zava-dehibe ny tatitra momba ny fisian’ny tamberiny tahaka izao, saingy na tiana na tsy tiana dia mbola karazan’ny varoboba ny harena an-dRanomasina Malagasy, saingy tahaka ny volabe rehefa kajiana amin’ny Ar ny an-tapitrisany euros maromaro na vitsivitsy. Ny tsenan’ny hazan-dranomasina maneran-tany isan-taona anefa dia voalaza fa manodidina ny 500 miliara dolara isan-taona, ka raha ny 1% isan-jaton’io fotsiny no azon’i Madagasikara dia 5 miliara dolara, izany hoe : avo 8 heny eo ho eo amin’ny 660 tapitrisa dolara handadizana amin’ny FMI izay hitsitaitaika ao anatin’ny 3 taona. Tena mila mandadilady amin’ny mampitrosa vola ve isika raha tena ampianarana sy tantantanana ary trandrahana araka ny tokony ho izy ho an’ny tombotsoam-pirenena ve ny harem-pirenena eto ?
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA