airtel

Actualités

03-mars-2025

Tetezan’i Tanjombato

Lehilahy iray indray no maty nitsoraka tao anaty rano

Sample post image

Tovolahy iray indray no maty tao amin’ny ranon’Ikopa omaly alahady 02 martsa maraina. «

03-mars-2025

Tsy hay izay olany. Mbola tanora, fa nandalo de nahita. Nitsoraka avy eo amin’ny tetezan’i Tanjombato izy ! Fotoana fohy dia tonga ny mpamonjy voina. Tsy ela fa 20 minitra eo no nikarohana azy de hita ny vatany. Efa tsy misy aina intsony raha ny fijery azy. "Namono tena", raha ny filazan'ny nanatri-maso. "Nesoriny ny akanjony dia mbola nahavita nanofahofa tanana izy", hoy hatrany ireo nahita. Ny tatitry ny mpamonjy voina kosa naneho fa lehilahy 35 taona teo ho eo no latsaka an-drano teny Tanjombato ka niantsoan’ny mponina teo amin’ny manodidina ny Mpamonjy Voina. Tamin'ny 9h38 ny antso, tonga teny an-toerana 09h53 ary 15 minitra tao aorian’ny fikarohan’ireo mpisitrika no hita ity lehilahy izay efa tsy misy aina intsony.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap