airtel

Actualités

24-sept-2024

Tetikasa fanavaozana ny fampidiran-ketra

Nitrosa 67,3 tapitrisa dolara amin’ny BAD ny Fitondrana

Sample post image

Nankato ny fampitrosana 67,3 tapitrisa dolara amerikanina ho an'i Madagasikara,

24-sept-2024

ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana na ny BAD, ka mikendry ny hanampy amin'ny famoronana fepetra manampy amin'ny fampiakarana ara-toekarena matanjaka sy mivelatra amin'ny alalan'ny fanamafisana ny fitantanana ara-toekarena sy ara-bola eto Madagasikara, raha ny serasera. Mikendry ny hanohana ny fampiharana ny Rafitra fitantanana hetra (SAFI) io programa io mba hanavao ny fitantanana ara-ketra, hanamaivana ny asa fikirakirana momba ny hetra, hanatsara ny fanangonana ny vola miditra sy ny fitantanana ny mpandoa hetra, ary hiady amin'ny hosoka ara-ketra. Hanohana ihany koa ny famoronana rejisitra nasionaly momba ny mpandoa hetra sy ny fampanarahana araka ny lalàna mba hamantarana ireo olona (personnes physiques) hanaraha-maso araka ny tokony ho izy ny orinasa sy hanamora ny fanadihadiana raha misy kolikoly. Ankoatra izany, ny programa dia mikendry ny hanohana ny drafi-panarenana ny Jirama sy ny fanatsarana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-bola anatin'ny fotoana fohy mba hampihena ny famindrana ara-bola tsy toko tsy forohana avy amin'ny kitapombolam-panjakana makany amin’ny Jirama. Raha raisina amin’io, dia hanamafy ny fanatsarana ny politika ara-ketra izany ny Fanjakana, ary nilana fitrosana ara-bola mihitsy ny fanatsarana. Na aiza na aiza Firenena, dia isan’ny zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny alalan’ny hetra hoenti-manodina sy mampandroso ny firenena. Ho antsika eto Madagasikara, mbola ambany dia ambany ny taham-pandoavana hetra satria mbola manodidina ny 13% hatramin’ny 15% eo raha be indrindra. Antony mahatonga an’io amin’ny ankampobeny ny tsy fahatsapan’ny vahoaka tamberin’andraikitra avy amin’ny Fanjakana miainga amin’ny hetra na vola alaina mivantana na ankolaka amin’ny vahoaka, ny tsy fisian’ny fanjakana tsara tantana, ny kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana,… Manampy trotraka ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahaizana tena mijery ny laharam-pahamehana. Ny kitapombolam-panjakana manify, saingy mbola zavatra tsy mamokatra sy kirendrarendra no hitrosana. Ny mpamatsy vola sy ny mpampindram-bola zarany aza satria misy tombony ho azy. Isan’ny tsikaritra tao anatin’ny fomba firesaky ny Filohan’ny BAD teto ny herinandro teo ny fananana antoka amin’ny fampindramam-bola eto Madagasikara, izay sokajiana ho afaka mamerina trosa izany. Amin’ny fomba ahoana anefa ? Tsy maintsy manaraka ireo fanavaozana na « reformes » takian’ny Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika na PTF, tsy maintsy orinasan’ny mpampitrosa no mahazo tsenambaro-panjakana, orinasan’ny firenena mpampitrosa no mahazo tombony amin’ny fahazoana alalana hitrandraka harena an-kibon’ny tany sy solika,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap